Ao anatin’ny fandaminana ny fitondram-panjakana ankehitriny ary manomboka efa mipetraka avokoa ny ekipa hanatanteraka ny programan’ny filoham-pirenena.
Tsikaritra anefa fa ahitana karazana kiantranoantrano eny amin’ny sehatry ny fitantanana raharaham-panjakana. Na dia eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika dia ahitana taratra resaka kivadivady sy kinamanamana izay mampitaraina sahady ireo teknisianina. Marihina hatrany fa ny teknisianina dia tsy tokony hanana loko politika kanefa tsy maintsy manome toerana an’ireo olona akaikin’ny filoham-pirenena. Ahiana hahatonga ady an-trano tsy tena vaky ao amin’ny fitantanana raharaham-panjakana ka rehefa ela ny ela dia tsy maintsy ho zava-doza ho an’ny firenena. Fanomezana valisoa ho an’ireo nanampy tamin’ny fotoam-pifidianana ve ny fitantanana raraharam-panjakana ? Fanomezana toerana an’ireo namana nanohana ara-bola ve ny resaka fanendrena ho ambasadaoro sy governora ? Nilaza ny minisiteran’ny atitany fa tsy ho ela ny fanendrena ireo governoram-paritra, faritra izay hitombo 23 araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena. Ny fanendrena ambasadaoro, kaonsily… sy ireo mpiara-miasa amin’izy ireo ihany koa dia ato ho ato. Raha ny lojika dia tokony ho olona ao anatin’ny «corps diplomatique» no misahana ireo andraikitra mampifandray antsika amin’ny any ivelany ireo saingy ilay resaka kivadivady sy kinamanamana no manjaka. Tsy ny mahamaika ny vahoaka no imasoana fa fisamborana etsy sy eroa no vahaolana hitan’ny mpitondra hatreto. Izany ve hanafoana ny tsy fandriampahalemana na fihenan’ny mpanao afera samihafa ? Sa mba hidiran’ny mpanao bizina hafa izay namany kokoa ? Mba hahafahana misoroka izay tsy hitera-bokatsoa ho an’ny vahoaka manoloana ny lalana hizoran’ny firenena amin’izao fotoana izao dia tokony hanova fomba fiasa. Hatramin’ny nandraisan’ny filoham-pirenena ny fitondrana dia tahaka ilay fisehosehoana ivelany no mahazo vahana, hany ka maro ireo fepetra raisina no toa tsy nandinihana akory ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka eny ifotony.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.