Politique

Fitantanana raharaham-panjakana Fanina ny ankamaroan’ireo minisitra


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Iarahana mahita fa nandritra ny filankevitry ny governemanta sy filan-kevitry ny ministra faramparany dia betsaka ny tompon’andraikitra ambony izay najanona tamin`ny asany izay no soloina olon-kafa.

 


Misy politikam-panjakana izay napetraka mba hamaliana ireny vina napetraky ny Filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra. Tsy maintsy mitsinjo lavitra ary mijery ny fomba hanatanterahina voalohany ny politikam-panjakana ny olona izay hitantana rafitra ambony eo anivon` ny ministera tsirairay. Roa volana latsaka taorian` ny fametrahana governemantra vaovao vao mipetraka tsikelikely ny fametrahana sy fanendrena mpiasam-panjakana ambony. Antony, misy fitadiavana ny olona afaka manantanteraka politikam-panjakana ka tsy maintsy jerena ny faihaiza-manao sy fahavononana amin`ny fitantanana.  Amin`ny ankapobeny dia tsy maintsy manaraka ny herijika napetraky ny filoham-pirenena. Ny dikan` ny “emergence”dia fialana amin` ny zavatra teo aloha ary fihazakazahana miditra amin` ny zava-baovao tsara lavitra manoloana ny zava-nisy teo aloha.  Raha jerena, misy zavatra goavana azo tanterahina amin`ny fotoana fohy fa mila fahavononana hanova toe-tsaina. Ny toe-tsaina no mitondra ny fanovana bebe kokoa ny fomba fiasa mba hihampaka amin`ny vaoaka ny zavatra atao. Tokony ho tsara tantana ny asam-panjakana satria ny ministra no lohany ara-politika fa ny tekinisianina (SG, tale…) no tena handrindra ireny asa ireny. Ankehitriny anefa, fanina amin’ ilay “contrat-programme” ny ankamaroan’ireo minisitra anaty governemanta. Misy ny azo atao hoe miasa, fa maro no mitango lalitra fotsiny. Tsy mazava ny lalan-kombana, indrindra ny tetiandro.  Raha ny voalazan` ny and. 54 ao anatin` ny lalàmpanorenana dia ny parlemantera manana ny maro an` isa no manendry izay ho praiministra. Noho izany, aorian` ny fifidianana dia hisolo indray ny governemanta satria ireo depiote vaovao no hanolotra izay ho lehiben` ny governemanta.  Ilay “contrat-programme” anefa isaky ny enim-bolana no hotsirihana. Tsy mahagaga raha naleon` ny minisitra sasany no miverina hirotsaka ho kandidà solombavambahoaka. Mipetraka ihany ny fanontaniana: afaka firy volana aorian` ny fametrahana governemanta vaovao indray ny fanendrena ireo tompon’andraikitra ambony? Rahoviana no tena hanomboka ny IEM? Ny zava-misy aloha hatreto dia tsy mirindra ny asa ary mikorontana ny fitantanana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT