Kaominina 24 no hamerina fifidianana afaka 120 andro fa 8 kosa tsy nahitana kandidà nandritra ny fifidianana farany teo.
Araka ny voalaza tamin’ny didim-panjakana noraisina tamin’ny taon-dasa dia manohy ny asany ireo ben’ny tanàna teo aloha mandrapahatonga ireo vaovao ary tsy hisy ny fanendrena filohan’ny delegasionina manokana (PDS), hoy i Tianarivelo Razafimahefa, minisitry ny atitany sy ny fitsijaram-pahefana. Mbola manohy ny asany ihany koa ireo mpitantana vonjimaika. Nohamafisiny fa afaka miasa avy hatrany ireo ben’ny tanàna nahazo « notification » fa manaraka ho azy ny fanaovana fitsirihana eo anivon’ny kaominina. Tsy mila miandry fifamindram-pahefana na koa ny fahavitan’ny fitsirihana vao afaka miasa. Ny tompon’andraikitra teo aloha no tompon’andraikitra voalohany amin’ny tsy mety tany aloha tany raha toa ka ratsy ny vokatry ny fitsirihana, hoy hatrany ny fanazavana. Manana 10 andro aorian’ny famoahan’ny T.A ny voka-pifidianana ireo kandidà ben’ny tanàna raha hampiakatra ny raharaha eny amin’ny filankevi-panjakana raha misy tsy nahafa-po.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.