Mpanolotsaina maromaro no nangataka fivoriana tsy ara-potoana anio noho ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny lafiny fitantanana ao amin’ny kaominina ambonivohitra Antsirabe.
Ny alatsinainy 11 aprily no nanaovan’izy ireo ny fangatahana ka asa raha ho raikitra. Lafin-javatra maro no hangatahan’izy ireo fanazavana amin’ny fomba fiasan’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany, toy ny vola 60.000.000 Ar sy 16.000.000 Ar, taratasim-bola (chècque) avy tamin’ny orinasa Cotona, voalaza fa hetra kanefa tsy hita hoe nirotsaka aiza. Ny vodi-sosin’ny natontan’ny kaominina nitakiana ny hetra teo aloha, izay efa tsy ara-dalana kanefa tsy hita ny fanamarinana izany, miampy ny antony hampiasan’ny kaominina “quittance rose”, tokony ho an’ny kaominina ambanivohitra izay tsy ara-dalàna ny hampiasan’ny kaominina ambonivohitra azy. Eo ihany koa ny vola niditra tamin’ny fetin’ny Paska avy tamin’ny Star sy ny Comadis satria efa hiditra amin’ny faha 6 volana ny karaman’ny mpiasa mbola any. Voalazan’ireto mpanolotsaina ireto koa fa tsy mazava ny fandoavana ny vidin-tsolika eny amin’ny orinasa mampitrosa ny kaominina. Akoatra izay, tsy mazava ny fiaraha-miasa tamin’ny fandaharan’asa Matoy izay toa nividy fitaovana maro sy vola be tsy hita izay nandaniana azy toy ny “Armoire metalique” 2.000.000 Ar, vy fotsy tokony ho novidiana teny an-tsena Sabotsy 4.000.000 Ar, Logiciel Transport 4.000.000 Ar, resaka fametrahana SIG 3.000.000 Ar, miampy ny fanofanana ireo mpiasa hisahana azy kanefa tsy tanteraka ny tetikasa, ny vola efa nivoaka. Ampahany ihany moa ireo fa mbola hitadiavan’ireo mpanolotsaina fanazavana ny momba ireo mpiasa voaroaka sy ny miditra, ny fitantanana ireo mpiasa. Nanamarika moa ireo mpanolotsaina ireo fa tsy misy mangarahara ny fomba fiasan’ny ben’ny tanàna ka izany no antony hangatahan’izy ireo fanazavana.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.