Politique

Fitantanana ny “ Iles Eparses” Hatsangana tsy ho ela ilay vaomiera manokana


  • Zoma 25 Oktobra 2019

Nitondra fanampim-panazavana taorian’ny fanambaran’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron nataony tany amin’ny nosy Glorieuses ny filoha Malagasy Andry Rajoelina tamin’ny alalan’ny tambajotra sosialy tweeter sy facebook omaly .

 

 

Hoy indrindra izy  : “ mampiaiky an’izao tontolo izao ny fananan’i Madagasikara harena voajanahary . Ny fanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana ny tombontsoantsika dia tsy maintsy takiana amin’ny alalan’ny fifampiresahana. Ampahatsiahiviko fa hajoro alohan'ny 18 novambra izao ny Vaomiera iombonana momba ireo nosy éparses ireo. Vonona ary matoky isika fa hiaro ny hambompom-pirenena”.Hijoro ato anatin’ny 3 herinandro izany ilay vaomiera iombonana handinihan’ny firenena roa tonga dia i Frantsa sy Madagasikara ny aminn’ny fitantanana ny Iles Eparses. Hatreto aloha, raha ny fizotry ny resaka sy ny fanehoan-kevitra dia ny fiaraha-mitantana no mety hitranga, io rahateo no efa voaresaka nandritra ny fitondrana teo aloha…Tsy hisy ny hoe haverina manontolo amin’i Madagasikara ny Nosy manodidina. Tsy maintsy iaraha-mitantana amin’ny Frantsay io. Miankina amin’ny fizotry ny fifampidinihana avokoa anefa izany rehetra izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT