Maro no manomboka mahatsapa amin’izao fotoana fa sahirana amin’ny fanatanterahana ny asany izao fitondram-panjakana mijoro izao. Tsotra ny antony : tsy fantatry ny filoham-pirenena mazava tsara ny namany sy fahavalony. Tsy mazava ny fifandanjan-kery, tsy fantatra izay mpanohitra sy manohana ny fitondrana.......
Miovaova araka ny zava-misy ny hevitry ny mpanao politika Malagasy fa tsy mba miavaka mazava ny hery an-kavia sy an-kavanana. Mibosesika ny fanambarana fanohanana sy fanampiana ary fiaraha-miasa avy any ivelany. Fa ahoana moa no hanatanterahana azy ireny ato anatiny ? Toa maivan-danja hatreto ny fahefan’ny filohan’ny repoblika, tsy to-teny izy, maro ny minisitra ao anaty governemanta manao izay tiany, mampanontany tena hoe mahafatatra izany ve ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena sa mihevitra ny resaka mandeha etsy sy eroa ho tsaho sy resaky ny mpialona fotsiny ? Tokony ho mailo ihany Atoa Hery Rajaonarimampianina satria mazava be mihitsy izao fa misy ny mampijabaka azy sy manipy hoditr’akondro. Resaka be fotsiny no natao hatreto aloha fa tsy mbola misy zavatra milamina any anaty minisitera any, tsy midika inona ny fahazoana famatsiam-bola rehefa mikorontana na tsy misy ny rafitra hampiasana azy. Ankoatra izay dia maro be ny tandrevaka hita sy re momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana, be loatra ny fametrahana olona tsy mahay sy tsy mahavita azy akory amina toerana iray. Tena atahorana noho izany ny fikorontanana tanteraka atsy ho atsy raha toa ka tsy manova ny fomba fiasa ny tompon’andraiki-panjakana ambony sasany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.