Raha atao ny asa marika tsotsotra dia miiba ny asa vitan’ny fitondram-panjakana nahazo fahefana ny janoary 2019 hatreto aloha. Olana no betsaka, mitarazoka ny fipoiran’ny vahaolana fa tsy arakarak’ilay hoe mandeha haingana be na “ TGV”.
Herisetra sy tsy fandriampahalemana mbola mandeha ihany, lasa tsy voafehy ireo miaramila nalefa mampandry tany amin’ny alalan’ny ZRPS… Mitombo indray ny elanelana eo amin’ny vahoaka sy ny miaramila. Ny vidim-piainana miakatra, olana tsy mety voavaha ny famatsiana rano sy jiro ary efa manomboka misy akony amin’ny famokaran’ny orinasa sasany io. Ny tontolon’ny fampianarana ireny efa niaraha-nahita ireny ny vokatra ratsy tamin’ny BEPC sy ny kitoatoa nanaovana ny bakalorea. Lafiny sosialy tsy misy fitoniana : hita ho velon’ahiahy ny olona any anaty fiarahamonina, manahy ny ampitso. Tena tsy ampy ny vola am-pelatanana. Tsy nisy fanaraha-maso ny fampiharana ilay karama farany ambany 200 000 ariary. Iza no mampihatra ? Iza no tsy mampihatra dia ahoana no atao izany ? Tsy takona afenina intsony ny fisavoritahana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ary mibaribary fa misy olana ny firaisankinan’ny governemanta. Toa samy maka ho azy izany. Tsy hita taratra ny fandrindran’asa fa famonoan’afo etsy sy eroa no tena betsaka. Ny filoham-pirenena moa dia mbola manohy mampanantena ihany hatramin’izao, tahaka ireny anaty propagandy ireny. Hita ho tena manezakezaka ingahy filoha, saingy maivana dia maivana aloha ny vokatra hatreto. Maro ny mpandinika politika no mahita fa miha mitoka-monina ny filoha Rajoelina. Ny praiminisitra Ntsay mangina tanteraka, moana tahaka ny trondro, ny filohan’ny antenimieran-doholona Rivo Rakotovao efa tsy dia tsara resaka aminy ; ny filohan’ny antenimieram-pirenena tsy azo atao hoe MAPAR IRD 100% intsony. Ireo minisitra isan-tsokajiny toa samy manana ny ataony sy ny filazany. Tana-masoandro, fanamboaran-dalana manerana an’i Madagasikara, Fanarenana ny Rovan’Antananarivo, trano mora. Asa goavambe avokoa izany fa ho vita marina ve ? Ahoana ny famatsiam-bola satria ny hita aloha dia tsy misy famatsiam-bola goavambe azo hatreto. Efa hiroso amin’ny fandinihana sy fandaniana ny tetibola 2020 anefa ny parlemanta. Hamboly vola hanaovana ireo tetikasa goavambe ireo, sa hindrana any amin’ireo sehatra tsy miankina dia inona no takalony ? Ho sahirana i Andry Rajoelina raha tsy mahay mamindra sy mahay mifampiraharaha amin’ny rehetra satria tsy misy herintaona nitondrana akory dia hita efa tena mihena be ny heriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.