Tapitra mimenomenona ny rehetra. Tsy mbola tao anatin`ny tantara ka ao anatin’ iray volana nitondran’ ny filoham-pirenena iray, betsaka no tsikera mivoaka amin’ ny firenena. Tsy ny vahoaka ihany fa ao ny mpianatra, ny mpitandro filaminana, ny fiarahamonim-pirenena, ny diosezy….
Eny amin’ ny facebook, sesilany ny tsikera. Raha nijery ny vokatra tamin’ ny fifidianana filoham-pirenena dia heverina fa tsy hisy no hitsikera an` ity filoham-pirenena ity. Fanagadrana mpianatra, fisamborana etsy sy eroa… Tezitra ny olona. Inona no tokoa ny zava-misy eto amintsika? Ny tsy fanaovan-politika amin’ ny tokony ho izy ve? Tany tan-dalàna kanefa lasa fisamborana sy fanagadrana ary lonilony politika no misy eto amin’ ny firenena. Sao sanatria misy olona manipy hodin-akondro ny Filoha? Misy mitarika azy mankany amin’ ny lalan-diso? Ireo fanapahan-kevitra no raisina ireo mantsy dia tsy mitarika amin’ ny fitoniana ara-politika, tsy mitarika ny vahoaka hanaraka ny mpitondra amin’ ny fampandrosoana ny firenena fa toa fitarihana ny vahoaka ho tezitra. Tsy tafiditra ao anatin’ny fampanantenana avokoa no misy. Fiarovana mivantana ny tombon-tsoan’ ny vahoaka no andrasan’ ny tsirairay. Ny hampilamina ny fitoniana ara-politikla ao aminy, tsy hisian’ ny mpangalatra ao aminy, ny ahafahany mitsabo tena, ahafahany mampiana-janaka, ahafahana manana trano manaraka ny fenitra no laharampahamena. Tsy fepetra noraisina hatramin’ izay fa fanapahan-kevitra mandeha ila. Mbola ao anatin’ ny fitsapatsapana ny fitondrana amin’ ny fitantanana raharaham-pirenena ka tonga amin’ ny fanapahan-kevitra tsy hitondra amin’ ny fampandrosoana sy amin’ ny fitoniana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.