Ahiana ao anatin’izao fananan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fahefana feno hanao lalàna izao no hisian’ny fanararaotana, toy ny fifanarahana avo lenta sy resaka famarotana tanindrazana an-kolaka na mivantana,
tsy hahazo rariny amin’ny solombavambahoaka. Eo ihany koa ny mety ho fampananan-kery ny lalàna ahiana hampidi-doza toy ny fanekena ny fiarahan’ny mitovy taovam-pananahana,… ao anatin’ny fananan’ny filoha ankehitriny ny fahefana hanao lalàna satria tsy voafaritra mazava tsara ny zavatra azony atao ka naman’ny feno ny fepetra hananany fahefana tsy refesi-mandidy sy afaka manao izay tiany hatao. Io rahateo no anisan’ny noventesin’ny praiminisitra Kanadianina Justin Trudeau nandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia teto Madagasikara ny novambra 2016 amin’ny tokony hamelana malalaka ity zavatra mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy ity, saingy tsy tanteraka. Sanatria ho tanteraka amin’izao fanjakana Rajoelina izao ve ? Ny ahiahy tsy hihavanana. Raha nampahalala ny IEM voalohany tany Frantsa i Andry Rajoelina ny 26 janoary 2018, dia nampanahy ihany ny nahita ilay depiote frantsay teo aloha, Jean-François Mancel niady mafy tao amin’ny Parlemantera Frantsay tamin’ny fampanjakana ny fiarahan’ny mitovy lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy anisan’ireo ekipa sy akaiky an-dRajoelina. Misy volabe mety hihodina rahateo amin’ny famelana izany. Raha ny fanehoan-kevitr’Atoa Serge Zafimahova, ny fanalavana ny fe-potoam-piasan’ny solombavambahoaka no mety kokoa fa tsy ny fanomezana fahefana ny filoha sao hiditra amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy isika. Tsy izay anefa no niseho fa lany ny lalàna manome fahafana be ilay filoha. Ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no mety ho arofanina farany amin’izao toe-draharaha sarotra izao. Maha kely finoana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.