Politique

Fitantanana ny firenena Andrankandrana no betsaka


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Hotanterahina any New Dheli renivohitr`i Inde ny 11 martsa ho avy izao ny fihaonana an-tampony maneran-tany voalohany momba ny alliance solaire.

Tsy maintsy hanana solontena any Madagasikara satria efa nanao sonia ilay fifanarahana COP 22 tamin`ny novambra 2016 tany Marrakech Maraoka isika izay miompana indrindra ny amin`ny fiovaovan`ny toetr’andro. Ho any ny fitondrana HVM satria mety hisy famatsiam-bola aorian`io fihaonana io. Efa maro ihany mantsy ireo fifanarahana fiaraha-miasa tahak`izany izay nosiniavin`ny mpitondra kanefa tsy hita mazava izay tohiny. 10,6 miliara dolara no vola tokony hiditra taorian`iny fikaonan-doha nataon`ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola tamin’ny 1 sy 2 desambra 2016 iny nefa tsy misy tatitra mazava hatreto. Tao ihany koa ny fanaovan-tsonia  fifanarahana fiaraha-miasa tamin`ny Sina natao tao amin`ny minisiteran`ny raharaham-bahiny tamin`ny taona 2017 izay nahazoana vola 60 miliara dolara saingy tsy misy resaka intsony. Ankoatra izay, mbola maro ny fifanarahana fiaraha-miasa natao tamin’ny firenena hafa toa an’i Maurice, Maroc saingy mangingina hatrany koa. Nandeha koa aza moa ireny ny fanambarana fa efa misy komity manokana mandinika ireo nosy manodidina an’i Madagasikara <iles eparses> kanefa tsy fantatra intsony izay niafarany. Andramana indray koa izao ny fiaraha-miasa amin’i Rosia fa hoe firenena manankarena sy be traikefa amin’ny fitrandrahana ara-mineraly. Izany rehetra izany anefa tsy misy vokany amin’ny Malagasy fa ny fahalafosam-piainana mizotra miakatra ary miha mahantra hatrany ny Malagasy. Milaza ho mahita fiaraha-miasa foana saingy andrankandrana no betsaka, mariky ny tsy fahamatorana.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT