Voatendry omaly alarobia 25 septambra nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 11 amin’ireo governoran’ny faritra eto Madagasikara, izany hoe ny tapany voalohany. Tahaka izao manaraka izao izy ireo :
Tokely Justin (SAVA), Randriantsoa Mong Wai-Tune Serge Lucky (Menabe), Hatrefindrazana Jerry (Anosy), Soja Tsimandilatse Lahimaro (Androy), Tovondrainy Andriantsitohaina Ranoelson E (Atsimo andrefana), Ramandehamanana Richard (Alaotra Mangoro), Rasoamaromaka Herilalaniaina (Analamanga), Andriamanana Solofonirina Herizo (Itasy), Razafindrakoto Lova Narivelo (Matsiatra ambony), Mahafaky Justin (Atsimo atsinanana), Lylyson René de Rolland Urbain (Sofia). Ireo aloha ny fanendrena omaly, mbola misy 11 hafa izany miandry. Efa mandeha ihany koa anefa ny siosion-dresaka fa ho lasa 23 fa tsy 22 intsony ny faritra eto Madagasikara. Ny tombamtombana dia hosarahana ny Faritra Vatovavy Fito Vinany, fa dia ho hita eo ihany moa izay ho fisehony. Raha jery indray mipi-maso dia mpanao politika efa akaiky an’i Andry Rajoelina sy ny MAPAR ireto voatendry ho governoran’ny faritra ireto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.