Politique

Fitantanana ny ady amin’ny dahalo Tsy faly i Beriziky


  • Alarobia 12 Septambra 2012

Ady amin’ny dahalo ! Io no mibahana amin’ny filazam-baovao rehetra na an-tsoratra io na an-tsary na am-bava ary anisan’ny lahadinika amin’ny fivoriana eny anivon’ny andrim-panjakana eny, ary koa ambentin-tenin’ny olona eny rehetra eny.

 Vao mainka nisarika ny sain’ny Malagasy maro koa ny be midina nataon’ny andia-miaramila manokana nalefa hanao ady anaty akata, hamongorana ny asan-dahalo any atsimo, ka nidinan’i Andry Rajoelina tampoka tany Betroka omaly. Tampoka na dia efa nolazaina hatry ny faran’ny herinandro teo aza fa ho any Betroka izy. Tsy vao izao mantsy fa efa am-bolana no nisian’ity asan-dahalo sy halatra omby miharo vono olona mahatsiravina miseholany ao amin’ny Faritra Anosy ity. Efa an-jatony rahateo no Malagasy namoy ny ainy tao anatin’izany, nefa mbola nahavita nanao vakansy tany Frantsa, mbola lasa tany Antsiranana namonjy JMJ i Andry Rajoelina. Ny misarika ny saina aman’eritreritra amin’izao trangan-javatra izao ary mampametra-panontaniana dia ny hoe oviana no nanapa-kevitra miaraka ry zareo tao amin’ny mpanatanteraka momba ity “opération” ity ? Ny zavatra toy itony mantsy dia tokony ho mandritra ny filankevitry ny minisitra (manokana) no andraisana ny fanapahan-kevitra satria miaramila maro no ilaina, fitaovana maro no ahetsika ankoatra ny vola ana miliara navoaka hanatanterahana azy.

Ny zava-misy anefa dia mbola samy tany am-pialantsasatra ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ary vao omaly indray no niverina niatrika filankevitry ny governemanta ary amin’ity anio ity ny filankevitry ny minisitra raha hisy. Efa lasa aloha anefa ry Andry Rajoelina. Sa aferan’ambohitsorohitra samirery ity ady amin’ny dahalo ity. Mandeha mantsy ny resaka fa sao mba fanararaotana politika hakana ny fon’ny olona any atsimo fotsiny izy ity, hisehoana fa raisiny ny andraikitra rehefa matory ny governemanta. Sa fitsipahana tsotra izao an’i Beriziky no tian-dRajoelina hahatongavana ? Raha resaka dahalo mantsy dia aferan’ny komandin’ny zandarimaria sy ny sekreteriam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena no mametraka paikady hampandriana fahalemana ny any ambanivolo, tsy tokony hitsabahan’iza n’iza. Manome tanana azy ireo ny miaramila raha ilaina. Izao anefa dia olon’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale), izay sady tsy eo ambany fibaikon’ny zandary no tsy fehezin’ny lehiben’ny etamazaoron’ny tafika no mitari-tafika any. Inona no anton’ny tsy nanankinana tamin’ny zandary ny raharaha ? Etsy andanin’izay mantsy dia re siosio fa efa nangataka tatitra mikasika ity asan-dahalo ity ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Beriziky Jean Omer, nefa tsy nahazo izany hatramin’izao. Na tsy nambaran’ny loharanom-baovao aza moa izay nangatahany tatitra dia azoazo an-tsaina ihany hoe miantefa aiza izany resaka izany. Ny fantatra dia tsy faly ary tezitra noho izay fihetsika mitory tsy firaharahana sy tsy fanajana ambaratongan-drafitra izay ny Praiminisitra. Ho hita eo moa izay fepetra horaisin’ity farany manoloana izany.

Nipoapoaka ny fanambarana tao Betroka omaly fa tsy maintsy resy ny dahalo, miverina ny fandriampahalemana ato anatin’ny 13 andro haharetan’ity “opération” ity. Hitady fitaovana fanampiny toy ny zanabolana hanarahan-dia ireo andian’omby ary koa helikoptera, satria hoe hihazo an’i Eoropa mipaka hatrany Etazonia any i Andry Rajoelina. Ho an’ny mpandinika anefa dia iraka na mpanelanelana ihany ireo malaso any ambanivolo ireo fa raha mbola eo ry Remenabila ambony latabatra dia tsy ho foana ny halatra omby. Raha nandalo teto ny delegasiona rosiana, herinandro vitsy lasa izay, dia nilaza fa afaka manome helikoptera hanampiana amin’ny ady amin’ity halatra omby ity. Io ve ilay helikoptera ambara fa hozahany any andafy ? Dia samy miandry vokatra ny rehetra satria volam-bahoaka koa no atontona ao.
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT