Fitantanana an’i Madagasikara

Ny fahefana no azo fa ny firenena milentika…


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

Vita ny fianinanana, azo ny fahefana, vita ny fety sy ny seho ivelany,… fa hanao ahoana amin’izay ny fiainam-bahoaka manomboka eto ?

Nambara fa hijery kokoa ny sosialim-bahoaka ka hiseho amin’ny endrika tahaka ny ahoana ? Hizara vatsy tsinjo sy tosika fameno amin’ny ampahan’olona nifidy dia hanao ahoana ny valalabemandry ? Raha hiverenana ny 5 taona lasa, tsy fitiavana sy fankahalana raha hiteny fa tsy nanao zavatra ny fitondrana. Na izany aza, tena arakaraka ny fampanantenana ve ny vokatra ? Tena nahomby sy tanteraka ve ny politikam-pampandrosoana sy ny programan’asa notanisana ? Nanao ahoana ny fari-piainan’ny Malagasy ? Miteny ho azy ireo tarehimarika samihafa, tahaka ny hoe : niainga 74% ny tahan’ny olona mahantra miaina ambanin’ny 2,15% dolara isan’olona isan’andro izay lasa 80,7% ary io no ambony indrindra teo amin’ny tantara. Porofoin’ny filaharana eo amin’ny hanohanana na GHI (Indice mondial de la faim) io izay eo amin’ny laharana faha-124 amin’ny 125 i Madagasikara satria ambanin-javatra ihany koa ny politika ho an’ny famokarana. Ny politikan’ny kitaitaitra sy ny seho ivelany no betsaka, hany ka mitotongana ny toekarena, miharatsy ny fiainana ara-tsosialy,… Isan’ny anton’io ny fitotongan’ny fampianarana sy ny fanabeazana, tsy fisian’ny politikan’ny famoron’asa mahomby,… Ambany dia ambany ny « Indice de Capital Humain » na ny tondro momba ny fananana olona manana fahaiza-manao ho afaka ny ho hery ho an’ny firenena, izay zara raha 0,39 io satria atao ambanin-javatra ny fampianarana. Vokany mihazakazaka sy mirongatra ny sehatra tsy ara-dalàna na « secteur informel », mitombo ny tsy fandriampahalemana. Araka ny tatitra ny UNICEF tamin’ny fiandohan’ity volana ity, tanora 3 amin’ny 10 no voatery mitsoaka an-daharana an-tsekoly noho ny tsy fahampiana ara-bola eto Madagasikara. Amin’ireo mahavita fianarana, betsaka no manana fahasarotana amin’ny fitadiavana asa. Ny isan’ny antony betsaka indrindra miteraka tsy fandriampahalemana nambaran’ny tanora nanaovan’ny UNICEF fanadihadiana dia ny 63% no milaza fa noho ny fahantrana, 55,8% kosa no maneho fa noho ny tsy fisian’ny asa mampidi-bola, ary 26% kosa no milaza fa noho ny fihinanana ireo zava-mahadomelina. Ratsy ny tondro amin’ny endriny maro, ary hita taratra amin’ny fiainam-bahoaka. Misy ve ny politika mazava hoentina miatrika sy mamaha an’izany ? Ny fizarana vatsy tsinjo na tosika fameno na hani-masaka na koa koveta sy jiro kely mandeha amin’ny masoandro ve mahavaha an’izany ? Asa raha hisy ny fahagagana sy ny fiovana fa raha mbola ireo endri-pitantanana efa hita dia tena mbola tandindonin-doza hatrany ny Malagasy ? Ny olana eo tsy voavaha kanefa mbola betsaka ny ambana, zavatra mitatao ara-toekarena sy ara-tsosialy ohatra ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika afaka amin’ny fiandohan’ny taona 2024 io fa moa misy vahaolana mafonja hiatrehefana sa ho avy indray ny tandrametaka toy ilay nilazana fa hanafatra bus manara-penitra 1000 !?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT