Tafiditra tao anatin’ny fampanantenan’i Andry Rajoelina fony izy nanao propagandy tamin’ny 2018 ny hoe :
hiaro ny Malagasy aho ary tsy misy Malagasy hoesorina tsy ara-drariny amin’ny taniny izany.Izay ny kabary, fa hafa ny zavatra hita :fandravana tranon’olon-tsotra sy fiangonana no nitranga teto Antananarivo sy tany Toamasina tamin’ny herinandro voalohan’ny volana janoary.Mazava ho avy moa fa izay tonga manao izany dia miaraka amin’ny taratasy fa hoe nahazo alalana mazava tsara.Niezaka nanohitra ihany ireo olona niharan’ny fandavana, saingy afaka hanao inona moa rehefa mifanehitra amin’ny mpitandro filaminana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana.
Hafa ny tenenina, hafa ny atao
Vao tsy ela akory anefa fa tamin’ny krismasy 2018 no niantso fiombonana, fifamelana sy firaisankina raha nikabary fohy teny Ambohitsorohitra ny filoha Andry Rajoelina ; dia samy velom-panantenana ery ny rehetra ary nifandrombahana ny naka sary tamin’ilay jiro manjelanjelatra eraky ny tanàna satria hoe mahafinaritra ery ary sambany vao mba nisy izany teto.Hay kay efa miainga any ny fandravana trano ; mbola nangingiana indray moa tato ho ato izay ny resaka Tana-Masoandro satria henjana ny hetsi-panoherana angamba.Ny fanavaozana ny kianjaben’i Mahamasina indray no naroso aloha ary dia finaritra indray ny rehetra.Hain’izao fitondrana izao ny mifehy ny serasera sy manasa ny atidohan’ny vahoaka mba tsy hifantoka amin’ny olana na fahasahiranana misy fa kosa ho finaritra amin’ny seho ivelany.Ka rehefa tapitra ny fahafinaretana mandalo amina kisehoseho iray, dia iny misy iray indray, ary tahaka izany hatrany.Fehiny : lasa tsy taitra intsony amin’ny zava-mitranga ny ankamaroan’ny olona ary lasa vitsy an’isa ho azy ireo miady amin’ny tsy rariny sy mitaky ny fahamarinana, dia lazaina fa adala sy mpanakorontana firenena.Tsara jerena ihany anefa andinindinin-javatra sasany mitranga, izay tena mampieritreritra : nanome vola ankoatry ny karama mba hanaovan’ny mpiasam-panjakana fety ny filoham-pirenena ; 65 000 ariary ilay izy, nisy nahazo an’io ara-dalàna, tao kosa ireo nitaraina fa tsy nisy afa-tsy 9000 ariary no voaray.Inona moa no ilazana izany tsy hoe halatra ? iza no nangalatra sy nanodikondina ? Tokony hanaovana fanadihadiana lalina fa tsy boriboriana fotsiny ny resaka, fa nisy zavatra nitranga tao.Farany teo indray hoe fiaramanidin’ny TOA Aviation izay an’Atoa Mamy Ravatomanga, mpandraharaha mpanefoefo akaikin’ny filoham-pirenena no nitondrana an’i Carlos Ghosn ilay lehiben’ny Nissan nitsoaka ; izy ity dia voarohirohy amina fanodikodinam-bola ary mbola manan-draharaha amin’ny fitsarana japoney.Ny mpiasam-panjakana nampitomboina ho 13% ny karamany manomboka amin’ity volana janoary ity, ny vinavinan’ny fitomboan’ny harinkarena ho an’i Madagasikara ao anaty tetibolam-panjakana 2020 anefa 5,5 %.Minisitra noesorina tamin’ny toerany satria tsy nahomby, no apetraka hitantana ny Jirama indray.Minisitra efa ambaran’ny tontolon’ny oniversite fa tsy mahavita azy sy manakorontana , mbola tazonina ihany hitantana ny ambaratonga ambony.Mbola resaka hafa ny fanendrena ny ampahany amin’ny governora sy ny tonga dia nanomezana vola azy ireo ; ny filazana fa 23 ny faritra eto Madagasikara : f’angaha efa novaina ny lalampanorenana moa ? Manome sary ratsy ho an’ny mpitantana an’i Madagasikara sy ho an’ny firenena Malagasy izany zavatra rehetra notanisaina izany, ary mazava ho azy fa mampiahotra ireo mpampiasa vola.Dia ho reraka hanome toky sy hanao velirano eo ny filoham-pirenena fa na ny vola hiasan’ny fanjakana aza atsy ho atsy mety hanahirana.Ny sosialim-bahoaka tsy ho voalamina amin’ny resaka tsena mora isan-kerinandro na isaky ny misy fety.Tsy nitranga anefa ireo rehetra ireo raha resy lahatra ny maro an’isa fa nadio sy nangaraharaha tokoa ny fifidianana ; tsy misy izao resabe etsy sy eroa izao raha tena mafy orina ny fahefan’ny filoha ; tsy nila fifandresen-dahatra be fa efa ela no nanomboka ny tetikasa goavana Tana-Masoandro raha nisy tokoa ny vola.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.