Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly teny Androhibe ny taom-pianaran’ireo andiany faha-27 eo anivon’ny sekoly ambony momba ny fitantanan-draharaham-panjakana na ny ENAM.
Ny praiminisitra, Mahafaly Solonandrasana no nitarika ny lanonana ary nisy ny vela-kevitra manokana izay notarihiny mikasika ny fivoarana andrasana eo anivon’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Anisan’ireo kolontsaim-pitantanana tokony hananana notanisainy ny fitondrana am-piheverana sy am-pisainana ny raharaham-panjakana mba hampivoarana ireo rafitra misy. Nambarany fa ilaina ihany koa fananana ny kolontsain’ny fitantanana sy fandaniana ary vokatra, indrindra eo amin’ny tetibolam-panjakana. Efa maro ihany ireo nofanina teo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana eto Madagasikara fa ny mahagaga dia mbola toy izao hatrany ny firenentsika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.