Vao tamin’ny fiandohan’ny taona 2020 ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, no nanambara fa mivoha midanadana ho
amin’ny fanomezam-baovao ny haino aman-jery rehetra tsy ankanavana nanomboka teo ireo minisitera sy andrim-panjakana rehetra eto Madagasikara. Tsy avahana toy izany koa ireo mpanao gazety midina maka vaovao eny amin’ireny toerana ireny. Nofinofy ve ny an’ny filoham-pirenena sa ireo mpanatanteraka mihitsy no sahirana sy tsy sahy manatanteraka io baiko io ? Hatreto aloha dia hita ho mbola sarotra ny fahafahana mahazo vaovao amin’ireo rafitra voalaza teo. Mbola mitohy ny fandrirarirana amin’ny endriny samihafa. Tsy mahagaga, noho izany, raha mbola mitohy hatrany ny fanjavonana raharaha sy firesahana tetikasa nanamarika izao fitondrana izao. Nangina, ohatra, ny mikasika ny resaka “puce” amin’ny omby. Inona no tena mangarahara momba ireo tetikasa notanisaina ho velirano toy ny Tanamasoandro sy Miami na Paris ? Mariky ny fahaleovantena tokoa ve ny fampidirana firenen-kafa hitantana ny tetikasan’ny tena ? Ohatra akaiky sy malaza an’izany izao ny fanakinana ny Arabo hitantana ny tetikasa Bas Mangoky. Ny malagasy ve no tena mahaleotena amin’izany sa ny vahiny ? Fahavitan-tena ara-tsakafo tokoa ve no tanjona sa bizina hafa mihitsy mba tsy hilazana hoe fivarotan-tanindrazana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.