Politique

Fitakiana sy savorovoro Soavalian’ny mpanao politika sahady


  • Talata 26 Aprily 2016

Tazana teny Analakely nandritra ny tafa nifanaovan-dry Rado Rabarilala sy ireo ekipany avy ao amin’ny Air Madagascar omaly maraina ny mpanao politika vitsivitsy efa fantatry ny mpanara-baovao tsara.

 

Anisan’izany ny senatera teo aloha Joseph Yoland anisan’ny nafana fo niara-dia tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 rehefa avy nisintaka tamin’i Marc Ravalomanana. Niaraka taminy teny koa ny Pastera Tsarahame Edouard olon’ny Pr Zafy Albert. Mbola hita teny Analakely koa omaly Atoa Alain Andriamiseza, mpisolovava ary mpanao politika tsy zoviana amin’ny maro intsony. Izy no voalohany nivoy ny fandrotsahana vato fotsy teto na ny tsy fandehanana mifidy mihitsy aza. Avy eo izy niara-dia tamin’ny legalista na ireo mpomba an’i Marc Ravalomanana ny taona 2009. Anisan’ireo mpanao politika nifampiraharaha tamin’ny FAT izy ary lasa minisitra nandritra ny tetezamita avy eo. Nanatrika ny hetsika nataon-dry Rado Rabarilala ireto mpanao politika ireto omaly ary nilaza fa manohana ny fitakiana atao. Nifampiresaka tamin’ireo mpivarotra amoron-dalana indray izy ireo avy eo ary nihazo ny Commissariat Central Tsaralalana hijery ilay mpivarotra amoron-dalana voasambotra. Inona no antony nisehoan’ireto mpanao politika ireto tampoka ? Hijapy ny hetsika ataon’ny mpiasan’ny Airmad sy ny fifandroritana misy eo amin’ny mpivarotra amoron-dalana sy ny kaominina ve ? Tsy sanatria resaka halako bika tsy tiako tarehy fa efa fantatra ihany ny fomban’ny mpanao politika Malagasy ka tokony ho mailo ihany ireo milaza fa manao fitakiana madio fa raha tafiditra ao ny politika dia ho raharaha ihany.


 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT