Miketrika ny hampanao fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fitakiana ireo Nosy Malagasy na îles eparses ny fitondram-panjakana ankehitriny.
Tanjony ny hahalalana ny hevitry ny tsirairay na hotakiana amin’ny Frantsay tokoa ireo Nosy ireo na hatsahatra hatreto ny hetsika. Mampitandrina ny filoham-pirenena mikasika izany fanapahan-kevitra kasainy horaisina izany ny profesora James Ratsima, filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko. Nambarany fa ny fitakiana ireo Nosy Malagasy ireo no hany vahaolana tokana hahafahana manavotra ireo vahoaka Malagasy 23 tapitrisa manerana ny Nosy. Ny fanjakana anefa mbola mitady hiala bala ihany na dia efa nanamarina aza ny firenena mikambana fa an’ny Malagasy ny îles eparses. Nomarihin’ny profesora James Ratsima moa fa raha minia manampin-tsofina amin’ny fitakiana ny îles éparses Rajoelina sy ny ekipany dia hijoro ny tenany ary tena hahita ny maha mpanao pôlitika azy tokoa ny rehetra. Raha vonona ny hitaky ireo Nosy Malagasy kosa anefa ny filoha dia vonona ity profesora ity hanome tanana azy saingy hijanona hatreo ihany ny fiaraha-miasa tsy hisy tohiny, ho fanavotana ny vahoaka Malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.