Ny sabotsy 9 janoary no nandrenesam-peo farany ireo mpitaky ny hamerenana amin’i Madagasikara ireo nosy manodidina na ny « iles éparses » dia tsy hita intsony avy eo.
Ny elatra tarihan-dRajaonah Andrianjaka no nidina in-droa miantaona teny Ambohijatovo ny 12 desambra 2015 sy ny 09 janoary 2016, ary dia in-droa ditsoky ny baomba mandatsa-dranomaso ihany koa. Ingahy James Ratsima anisan’ireo nampiaka-peo avo dia avo ny amin’ny tsy maintsy hamerenana amin’i Madagasikara ireto nosy ireto moa dia tsy re feo intsony taorian’ny 12 desambra. Nisy ihany koa ireo mpanao politika tahaka an’i Alain Ramaroson niala an-daharana fa tsy mety aminy, hono, ny fifandaminana amin’ny zavatra atao. Vondrom-pikambanana 13 no nijoro tany am-boalohany, lasa 2 taty aoriana ary avy eo dia nangina tanteraka. Nisy ny resaka nandeha tamin’ny taon-dasa fa misy vola be hanambazana ireo mpitaky mba hipetraka, nisy feo nandeha ihany koa anefa fa hoe fihetsiketsehana fotsiny ihany ireny rehetra natao ireny fa tsy zavatra tena matotra. Natao ny fanangonan-tsonia teny amin’ny Tahala Rarihasina, natao nalaza tamin’ny intenrnety saingy tsy hita popoka izay niafarany.Tamin’ny ankapobeny dia tsy nahasarika olona firy ity resaka ity, asa na noho ireo mpitarika na ny fomba nitakiana azy, na noho ny fahasahiranana iainany isan’andro dia tsy mbola mampihetsi-bolomaso an-dRamalagasy aloha izany hoe haka ny « îles éparses » izany. Ara-diplaomatika moa dia nilaza ny mpitondra Malagasy fa hatsangan’i Madagasikara sy Frantsa miaraka ny vaomiera iray handinika ity raharaha « îles éparses » ity, saingy ho tanteraka tokoa ve izany ? Isika rahateo ity seriny be ihany hampiantrano ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia ; ary mangataka fanampiana amin’i Frantsa sy ny mpiara-dia aminy ka moa ve mbola ho sahy hitaky ireo nosy manodidina ihany ao anatin’izany rehetra izany ny mpitondra ankehitriny izay ampifilafilain’ny mpamatsy vola.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.