Asa na rakotry ny sangodim-panina politika na difotry ny fahasahiranana sy ny fitokonana etsy sy eroa fa dia tsy re feo intsony ireo fikambanana sy vondron’olon-tsotra mitaky ny fameranana amin’i Madagasikara ny iles éparses izay bodoin’i Lafrantsa.
Tena nangina tanteraka ny raharaha, re anefa fa misy hatrany fivoriana etsy sy eroa saingy tsy misy ny fampitam-baovao mazava sy ofisialy. Rehefa natao ihany koa ny fanadihadiana tamin’ny olom-pirenena tsotra dia tsapa fa tsy dia mampiraika firy ny Malagasy ity resaka nosy manodidina ity, hany ka maty momoka ho azy satria tsy maro mpanaraka sy mpanohana izay hetsika atao. Misy ny olona naneho hevitra ary nilaza fa i Madagasikara aza tsy vitantsika ny mifandamina hitantana azy araka ny tokony ho izy, vao miha ampiana nosy manankarena 4 na 5, ka tsy ho ady saritaka ve no hitranga eto.Ny mpitondra fanjakana koa moa etsy an-kilan’izay dia nanaboribory resaka fotsiny nilaza fa efa mandeha ny fifampiaharahana amin’ny fanjakana Frantsay, fa tsy nisy tatitra na dia fehezanteny iray aza nilaza hoe :mby aiza ho aiza ary ny firosoan’izany fifampidinihana izany. Na ny profesora James Ratsima na ny fikambanan Otrikafo tarihan-dRajaonah Andrianjaka dia tsy dia re feo firy intsony, nisy olana ve ? Tratran’ny ramatahora sy fandrahonana ve sa nisy inona no mangina tahaka izao ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.