Taorian’ny federasionan’i Rosia dia i dokotera Ikiliou Dhoinine, filoham-pirenen’ny Vondron’i Kaomoro no naneho ny fanohanany an’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo nosy « éparses » aty amin’ny ranomasimbe Indiana.
Tsy dia lava ny valin-teniny raha nanontaniana ny mety ho herijikan’i Madagasikara amin’ny hahazoana indray ireo nosy ireo ny filoham-pirenena kaomorianina fa nanambara kosa ny tenany fa mpirahalahy mian’ala i Kaomoro sy Madagasikara ka mifanampy. Momba ny fitakiany ny famerenana amin’izy ireo ny nosy mayotte izay lasan’ny Frantsay ihany koa dia hentitra tampoka ny dokotera Ikiliou Dhoinine nanamafy fa an’i Kaomoro eo anatrehan’ny lalàna iraisam-pirenena i Mayotte.
Omaly no nifarana tanteraka ny fivahinianana nataon’ity mpitondra fanjakana kaomorianina ity teto Madagasikara ka niompanan’ny fifanarahan’ny firenena roa tonta ny nanatsarana indray ny fifanaraham-piaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta izay efa vita sonia tamin’ny taona 1987. Voaresaka tamin’izany ny famaritana ny fari-dranomasin’ny firenena roa tonta, ny fanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fanamorana ny fifamezivezen’ny olona ho an’ny roa tonta. Ho an’ireo mpianatra kaomorianina mandranto fianarana aty Madagasikara dia voaresaka ihany koa ny fanamorana ny fanomezana azy ireo ny alalana hitoetra eto. Ary ny farany dia ny fametrahana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny oniversiten’ny firenena roa tonta.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.