Politique

Fitakiana ny Iles Eparses Manaitra ny filohampirenena ny ANM


  • Alarobia 16 Aogositra 2017

Nandefa taratasy misokatra miantefa any amin’ny filohampirenena ny avy eo anivon’ny ANM na association nosy Malagasy ny sabotsy teo.

Fitakiana ireo nosy Malagasy (Iles Eparses) sy ny fanomezan’ny fitondram-panjakana frantsay tambiny ho an’ny fianakavian’ireo mpanjono malagasy niharam-boina tany an-dranomasina vokatry ny fihetsiky ny tafika frantsay ny 29 martsa 2014 teo no iangavian’ity fikambanana ity mba hoentin’ny filoham-pirenena eo anivon’ny fivoriamben’ny firenena mikambana atao any New york amin’ny volana septambra ho avy izao. Nampatsiahivin’ny fikambanana fa araka ny fehin-kevitra tapaka nandritra ilay fikaonan-doham-pirenena hamerenana ireo nosy manodidina ny 23 jolay 2016 tao amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izay nandraisan’ny solontenan’ny olom-boafidy, ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena, ny mpitondra fivahanana, ireo Raiamandreny ara-drazana, ny avara-pianarana, ny tanora, ny vehivavy avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara dia takiana ny famerenan’ny fitondram-panjakana frantsay  tsy misy hatak’andro ireo nosy malagasy dia ny Iles Glorieuses sy Juan de Nova ary Europa et Bassas da India. Tsy ekena koa, hoy ity fikambanana ity, ny fiaraha-mitantana (co-gestion) ireo nosy malagasy ireo, Mety hisy hihain o ihany ve ry zareo ireto ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT