Politique

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

 

 

 

 

novambra 2019 noho ny fanombohan’ny fifampidinihana eo amin’ny firenena Malagasy sy Frantsay momba ny nosy Malagasy na ny “Iles Eparses” izay hotanterahana eny amin’ny lapan’Andafiavaratra. Lehiben’ny delegasionina Malagasy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, efa fantatra hatry ny ela fa mahay mifandray sy miara-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena;  manampy azy ao ny Profesora Raymond Ranjeva, akademisianina, mpitsara iraisam-pirenena ary efa nanizingizina sy niady hatry ny ela fa an’i Madagasikara ireo nosy manodidina azy ireo ; ao ihany koa Atoa isany Vice amiral Louis Antoine de Padoue Ranaivoseheno, ny Capitaine de vaisseau Jean Edmond Randrianantenaina, ny Profesora Liva Djacoba Tehindrazanarivelo ary Eric Ratsimbazafy manampahaizana sy teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Lehiben’ny delegasionina Frantsay izay ahitana mpikambana 6 kosa Atoa Marcel Escure masoivoho misahana ny fiaraha-miasam-paritra aty amin’ny Ranomasimbe Indianina izay fantatra fa diplaomaty efa zatr’ady satria niasa sy namita iraka tany amin’ireo firenena sokajiana fa mafana toa an’i Niger, Tanzania, Liban ary efa niasa tany Amerika Latina ihany koa. Totoafo ny fanentanana nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy mialoha ity fihaonana ity. Manantena noho izany ny rehetra fa hanao izay fara heriny sy fara fahaizany ireto olobe misolotena ny Malagasy ireto ary tokana ny tanjona dia ny fandresena ka hamerenan’i Lafrantsa ny fitantanana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara ireo amin’ny firenena Malagasy satria efa hoe mbola ao anatin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ireo ary efa nisy fehin-kevitry ny firenena mikambana nanamafy izany, 30 taona mahery lasa izay. Azo antoka fa hafana ary tsy ho mora ny fifampidinihana, saingy mino sy manantena ny Malagasy fa tsy ho latsa-danja noho ny vitan’ny Barea ny zavatra ho vitan’ireto olobe manampahaizana sy voky traikefa ireto ka ho tanteraka tokoa ny fanomezan-tokin’ny filoha Rajoelina ary ho fety miezinezina no hatrehina amin’ny 26 jona 2020 fa sady feno  60 taona ny niverenan’ny fahaleovantena, ho vita tanteraka ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo ary hiverina amin’i Madagasikara ny fitantanana ireo “Iles Eparses”.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT