Politique

Fitakiana ny “Iles éparses” Azo atao am-pilaminana, hoy ny CRAM


  • Zoma 08 Janoary 2016

Manaitra ny sain’ny rehetra mba ho mailo amin’ny fitakiana ny “îles éparses” ny Cercle de Réfléxion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM) satria araka ny fandinihan’ity fikambanana ity azy dia efa tsikaritra hatrany am-boalohany fa mandady moramora ireo sokajin’olona « mpikarama mandray baiko avy amin’ireo « very remby » amin’ity resaka Nosy Malagasy ity ka manely tsaho fa hoe :« efa lafo ny îles éparses”.

 

 Karazana paikady  hitondrana ny mpiray tanindrazana ho any amin’ny fifandonana amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo teratany frantsay miasa sy monina eto amintsika izany, hoy ny CRAM. Mila mitandrina isika satria efa nambara ampahibemaso teny amin’ny antenimieram-pirenena tamin’ny 18 desambra 2015 fa : « efa tonga eo amin’ny dingana farany amin’ny fitakiana am-pilaminana ireo Nosy ireo isika amin’ity taona 2016 ity ». Nisafidy ny fifampiresahana eo amin’ny vahoaka malagasy sy ny vahoaka frantsay isika, araka ny filazan’ny CRAM ka atao amin’ny alalan’ny Antenimieram-pirenena roa tonta. Raha mahomby io fifampiresahana io dia hoentin’ny firenena malagasy sy ny firenena frantsay eo anivon’ny Firenena Mikambana fotsiny ny fehin-kevitra dia milamina ny raharaha ary miverina amintsika am-pilaminana ireo Nosy ireo. Aorian’izany, hoy hatrany ny fanazavana azo avy amin’ny CRAM dia miverina tanteraka amin’i Madagasikara ny fiandrianam-pirenena. Afaka mifampiraharaha mivantana amin’ny frantsay na amin’ny firenen-kafa isika amin’ny fanohizana asa fitrandrahana manodidina ny Nosy Juan de Nova. Afaka manjono malalaka toy ny tany aloha ihany koa ireo mpanjono malagasy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT