Politique

Fitakiana ny fodian’i Dada Nidina an-dalambe ny vahoaka


  • Zoma 23 Desambra 2011

Nihetsika indray ny “Komitin’ny fitakiana ny fampiharana ny tondrozotra Antsirabe” omaly alakamisy 22 desambra ka nivoaka ny kianjan’ny Magro Avaratsena izy ireo ary dia namelatra ireo sorabaventy samihafa teo nanoloana ny fiatoan’ny taksibe fitaterana, naneho ny fitakiany ny fampiharana ny tondrozotra.

 Fidinana an-dalambe faharoa ity nataon’ny komity ity satria raha tsahivina dia ny 12 desambra nankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana no nivoaka kianja toy izao izy ireo, ary dia tamim-pilaminana sy am-pahendrena hatrany ny fanehoan-kevitra sy fitakiana nataon’izy ireo. Mitaky tsy misy fepetra ny famoahana ireo gadra politika, fanokafana ireo radio nakaton’ny FAT nandritra izao tetezamita izao ary indrindra ny fampodiana tsy misy fepetra ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara izay notsipihin’izy ireo fa mody aloha ny Filoha Ravalomanana vao miresaka, hoy izy ireo.

Nambaran’Atoa Jean François Michel, izay filoha mitarika ity komity ity fa tsy hijanona intsony ny fitakiana fa dia hiha hafana toy izao satria niaraha-nahita fa na dia nilaza aza ireo parlemantan’ny tetezamita fa hiady ny fampodiana an’i Dada dia toa resabe fotsiny izany fa tsy voaresaka akory izany nandritra ilay fivoriana farany teo fa ny tetibola sy ny tombontsoan’izy ireo no niadivany tao fa ny momba an’i Dada very an-javony fotsiny tany ka rehefa tsy vitan-dry zalahy ny hiady amin’ny fodian’i Dada dia aleo ny vahoaka hihetsika amin’izay ary efa izay rahateo no baikon’ny filoha Ravalomanana. Efa feno rahateo ny fepetra hanatanterahana izany. Notsahivin’ny mpitarika fa dia tsy mitsahatra manentana ireo vahoaka mpitolona hatrany izy ireo mba ho tonga maro ao amin’ny Magro Avaratsena isaky ny alarobia sy sabotsy satria mbola tsy tratra ny tanjona dia ny fodian’ny filoha ka dia tsy mbola hiato hatrany ny hetsika sy ny tolona ao an-kianja raha tsy tanteraka izany.

Caïus Raharison

Sary : Hetsika tao Antsirabe omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT