Politique

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

delegasionina Malagasy hiady hevitra amin’ny fitondrana frantsay etsy amin’ny lapan’Andafiavaratra anio alatsinainy mikasika ny resaka nosy Malagasy na “Iles Eparses”. Antso avo no nataon’ny antoko ny amin’ny mba hanotronan’ny Malagasy rehetra ireo solontena

Malagasy  5 mirahalahy etsy ivelan’ity lapa ity. efa ela, hoy ny antoko, no niadian’ny Otrikafo ny amin’ny tokony hamerenana madiodio ireo nosy ireo ary zava-dehibe ny fanapahan-kevitry ny

mpitondra ka hisian’izao fifampidinihana izao. Aoka aloha hampirimina ny loko politika, hoy izy ireo fa zava-dehibe mihoatra ny fahazoan’ny Barea tompondaka eran-tany io fiverenan’ny nosy Malagasy amin’ny Malagasy io. Raha sanatria tsy famerenana anefa no mitranga fa mbola fitakiana fiaraha-mitantana, hoy ny Otrikafo, dia ho hitan’ny havany eo ny mpitondra sy ny frantsay satria efa tonga izao ny fotoana tokony hamerenana ny taniny amin’ny Malagasy. Tsy mora fa tsy maintsy atao io satria ny fiandrianam-pirenena no voakitikitika, hoy hatrany ny Otrikafo.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT