Hanohy ny paikady rehetra ahafahana mamerina ny nosy Malagasy ao amin`ny ranomasimbe indianina ny minisitry ny raharaham-bahiny vaovao, Tehindrazanarivelo Jacob.
Nambarany izany nandritra ny fifamindrampahefana teo aminy sy ny praiminisitra Ntsay Christian, izay nitantana ny minisitera vonjimaika. Nilaza izy fa atao vaindoahn-draharaha ny fanohizana ny ezaka nataon`ny fitondrana sy ny vahoaka hatramin`izay. Tsiahivina fa ny fiatombohan`ny volana desambra teo no nisy ny fikaonan-doha nasionaly entina hitakiana ireo nosy Malagasy, izay bodoin`ny frantsay. Na dia somary nangina dia nitohy hatrany ny fifampidinihana momba ny daty hifampiresahana izay hotanterahana any Frantsa. Hodinihana miaraka amin`ny delagasiona sy ny komity siantifika ny paikady rehetra, hoy ihany izy. Efa tao anatin`ny delegasiona nisahana ny famerenana rahateo ny tenany. Miandry kosa ny daty hifampidinihana ny rehetra. Inoana fa tsy ho ela intsony satria voafaritra rahateo fa amin`ny volana jona no ahitana vahaolana amin`izany. Nambarany ihany koa fa hapetraka afaka fotoana fohy ireo masoivoho Malagasy tsy voatendry any ivelany hanatsarana ny endrik`i Madagasikara eo amin`ny iraisam-pirenena sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin`ny mpiara-miombon`antoka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.