Politique

Fitakiana ireo «Nosy Malagasy» Mersenera ny 16 amin’ireo fikambanana 18 mihetsika


  • Zoma 19 Febroary 2016

Tsy tokony hionona fotsiny amin’ireo ampahan’ny tanintsika nalain’ny firenena frantsay ny hetsiky ny tena tia tanindrazana fa ilaina takiana

 

 hatramin’ireo harena maro samihafa eto Madagasikara bodoin’ny vahiny toy ny orinasam-panjakana, hoy ny mpitantana ny fikambanana «Asandratro ny Fireneko» James Ratsimba. Diso hevitra rahateo mba tsy ilazana fa mpikaraman’ady ihany ireo fikambanana 16 amin’ireo 18 miezaka manakorontana amin’ny fitakiana ankehitriny. Tsy vahaolana mihitsy mantsy ary tsy ao anatin’ny paikady ampiasaina ny fitarihana olona hidina an-dalambe hitaky ireo «Nosy Malagasy» ireo, araka ny fanazavany. Ny tena zava-dehibe dia ny fanentanana ireo olom-pirenena ho tonga saina manoloana ny fisian’ny endrika fanjanahantany vaovao tiana hapetraka eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy. Lalana tokana ihany no hamerenana ny tena fahaleovantenan’i Madagasikara dia ny fifampiresahana amin’ireo firenena vahiny mambra ao amin’ny firenena mikambana niaro sy mbola miaro ny famerenana ireo «Nosy Malagasy» amintsika ireo. Efa mizotra amin’izany moa ny asa tontosain’ny mpiara-dia amin’ny fikambanana «Asandratro ny Fireneko» amin’izao fotoana izao, araka ny fanampim-panazavana.

Ramano F.

James Ratsima, mpitarika ny fikambanana «Asandratro ny Fireneko»

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT