Politique

Fitakiana fampiharana ny tondrozotra Rahonana hosamborina ny mpitarika


  • Talata 27 Desambra 2011

Mahatsikaiky ny tranga miseho ao Antsirabe amin’izao fotoana izao.

 Raha toa ka niezinezina ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra fa olona vitsy sisa ny ao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe, ary olona mpiantsena no nalaina sary nandritra ny hetsika nataon’ireo komity mitaky ny fampiharana ny tondrozotra ao Antsirabe ny alakamisy 22 desambra lasa teo dia gaga ny olona tao Ambalavato, Fokontany iray ao Antsirabe, fa nidinan’ny mpitandro filaminana iray 4x4 vao maraina tao an-tranon’ingahy Jean François Michel, mpitarika ity komity mitaky ny fampiharana ny tondrozotra ity. Voalaza fa fanatanterahana baiko ny nataon’ny polisy ary miantso azy mba hatao fanadihadiana araka ny voalaza ary ny lehiben’ny Distrika no nampiantso.

Tsy vao sambany moa no niantsoan’ny mpitandro filaminana ity mpitarika ity fa efa maromaro izay satria taorian’ilay hetsika voalohany nataony ny 12 desambra lasa teo dia efa nantsoin’ny zandary sy ny polisy ny tenany ary dia izao nanaovana be midina izao indray. Fantatra ihany koa fa noterena hanao tatitra an-taratasy ireo hetsika rehetra notarihiny ity mpitarika ity saingy nanda hatramin’ny farany ny hanao izany. Mahatsikaiky ny fihetsiky ny mpitondra ao Vakinakaratra amin’izao fotoana satria lazaina fa hetsika tsy misy dikany kanefa mitady hisambotra mpitarika indray. Voalaza moa fa fitadiavana fitoniana amin’izao fety izao ny antony ka mahagaga raha toa fisamborana olona no mety hampitony ny tanàna. Nanamarika moa ireo mpitarika ny hetsika fa tsy hiato akory ny tolona na ho feno aza ny fonja, ary hitohy sy hihamafy hatrany izany mandra-pahatonga ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT