Politique

Fitakiana fampiharana ny tondrozotra Nivoaka ny kianja fanintelony ny vahoaka


  • Alatsinainy 09 Janoary 2012

Nivoaka ny kianjan’ny Magro Avaratsena indray ireo vahoaka mitaky ny fampiharana ny tondrozotra tao Antsirabe ka nifamotoana teo anoloan’ny tsangambaton’ny fahaleovantena izy ireo ny marainan’ny sabotsy 07 janoary teo.

 Tamin’ny mitataovovonana no nanomboka ny hetsika teo anoloan’ny tsangambato io. Nisy ny lahateny fohy nanazavana ny antony toy ny fitakiana hatrany ny fampiharana tsy misy fepetra ny tondrozotra mazava, indrindra fa ny andininy faha-20 izay tena takian’ireto vahoaka ireto, dia ny fampodiana ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara. Nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ireto mpitolona ireto dia nohamafisin’izy ireo fa dia diso fanantenana tanteraka amin’ny fampiharana ny tondrozotra izy ireo ary kely finoana ihany koa amin’ny ezaka ataon’ireo mpikambana ao anatin’ny rafitra lazaina fa fiaraha-mitantana amin’izao fotoana. Toa tsy mahamaika azy ireo intsony ny fampodiana ny filoha Ravalomanana rehefa tafiditra tao izy ireo fa dia nionona fotsiny amin’ny filazana fa anjaran’ny filoha Ravalomanana sisa ny manapa-kevitra amin’ny fotoana hodiany ary toa miandry fotsiny izay fanapaha-kevitry ny CPS sy ny SADC sisa ireo mpitolona ao anatin’ny rafitry ny tetezamita. Notsiahivin’ireo solontenan’ny mpitolona ny filazana fa dia ny fananganana ireo rafitry ny tetezamita toy ny CENI indray no resaka tao amin’ny filankevitry ny Governemanta ka iantsoana ny CST sy ny CT hivory tsy ara-potoana. Tsy voaresaka sy toa hodiana fanina ireo fitakiana hatramin’izay toy ny fodian’ny filoha Ravalomanana sy ny famoahana ireo gadra politika ary ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT. Fanitelony moa no nivoaka ny kianja toy izao ireto vahoaka ireto ary fantatra fa dia hanomana hetsika hafa indray izy ireo amin’ity herinandro ity. Voalaza fa tsy hijanona intsony ny fitakiana ny fampiharana ny tondrozotra. Ny tolakandro moa dia nanatevina hatrany ny tolona tao amin’ny Magro Avaratsena ireo vahoaka tamin’ny sabotsy io.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT