Tsy misy fitakiana vanona intsony eto amin’ny firenena noho ny ataon’ireo mpanao politika sasany. Na hetsika madio aza dia lasa maloto ho azy noho ny afitsok’ireo mpanao politika mitady seza.
Nandeha ny hetsika sendikaly izay tsy nisy hidirany tamin’ny resaka politika. Nandeha ny hetsiky ny mpanao gazety, ny hetsika ho an’ny fanavotam-pirenena ary hita eny foana ny tarehin’ireny olona izay azo lazaina ho sakana amin’ny tolona misy eto amin’ny firenena ireny. Efa nisy ny hetsika tena politika fantatra tamin’ny anarana hoe “Mitsangana ry Malagasy” tsy nihambahamba nilaza fa hanongana tsy misy hatak’andro izao fanjakana izao. Tsy nisy vokany anefa noho ny fahitan’ny olona ireo mpanao politika efa naloan’ny vahoaka saingy mbola te hiverina eo amin’ny fitondrana. Rehefa tsy nahomby izany dia mandeha ny fijapiana masinina amin’ny fitakiana tsy misy hidiran’ny politika. Ny ankamaroan’izy ireny dia ireo olona tsy manana vahoaka rehefa tonga ny fifidianana ka zara aza misy hetsika hojapiana ka tsy misaina afa tsy ny hanongana sy hanapotika toy izay niseho tamin’ny 2009. Rehefa mba miseho tarehy eny anivon’ireny hetsika isan-karazany ireny ireo olona efa zatra an’izay fomba fanao politika mamohehitra izay dia tsy mihevevitra afa tsy ny hanolo-tena hotendrena sy homena toerana.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.