Mitranga mihemotra ny fitondram-panjakana hatrany amin’ny faratampony manoloana ny fitakian’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe na SEMPAMA.
Raha nandrahona hanapaka ny karaman’izay mpanabe mitokona i Manoro Régis, minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny zoma 04 mey teo dia nanambitamby ireo mpitokona indray ny Sekretera jeneralin’ny ministera nandritra ity herinandro ity milaza fa tsy misy izany fanapahana karama izany. Raha efa mba nisy tsirim-panantenana koa ny hahitana vahaolana tamin’ny fandraisan’ny filohan’ny FAT ny SEMPAMA dia natsipitin’ity farany any amin’ny governemanta indray ny baolina. Nilaza ny Praiminisitra Omer Beriziky omaly fa ilay 25 miliara Ariary nambaran’ny filohan’ny FAT ihany no zakan’ny tetibolan’ny fanjakana. Miantso ny mpanabe hiverina hiasa ny tenany sady mangataka ny mpianatra hijanona an-tsekoly rehefa tsy mianatra fa tsy mivoaka ny sekoly sao hidiran’ny mpanakorontana ny fidinana an-dalambe ataony. Efa tsy neken’ny SEMPAMA anefa io maribola 25 miliara Ariary io. Kely loatra ilay izy ka mety tsy sahy mifanatrika amin’ny solontenan’izy ireo intsony i Andry Rajoelina matoa mialokaloka ao ambadiky ny governemanta.
Nomarihan’ny minisitra Manoro Régis kosa fa efa vonona io vola io izay notsongaina tamin’ny tetibolan’ny ministera tantanany ka hampiharina avy hatrany amin’ny karama amin’ity volana mey ity raha tratran’ny teknisianina. Omaly hariva ihany dia nivory maika ny biraon’ny SEMPAMA “nandinika sy nitsakotsako io fanambarana nataon’ny praiminisitra io. Maka ny hevitry ny fototra koa izahay”, hoy Raharovoatra Claude raha nanontaniana. Raha ny omaly dia noraisin’ny Vaomieran’ny fanabeazana eo anivon’ny CST notarihan-dRtoa Razafinjato Aurélie tetsy Anosikely, nandritra ny adiny telo be izao, ny solontenan’ny SEMPAMA notarihan’ny mpandrindra nasionaliny, Raharovoatra Claude. Tsy nisy zavatra tapaka tao fa vao fanombohana dinika, hoy ny heno teny an-toerana.
Nampanantena handinika lalina momba ireo fitakiana isan’andininy kosa anefa ity vaomiera ity fa efa naharay ny taratasy nivantana avy amin’ny SEMPAMA ary anio alakamisy dia hihaona amin’ny minisitra Manoro Régis ry zareo ary hiverina hidinika amin’ny SEMPAMA indray ny zoma. Tahaka ny mahazatra dia nifamotoana teo Anosy ny mpanabe saingy tsy navela niditra tao amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary indray ka teo amoron-dalana no nanao hetsika. Nidina an-dalambe ihany koa ny mpianatry ny Ceg sy lisea sasantsasany teto an-drenivohitra ary saika hihazo ny ministeran’ny fanabeazana hanampy ireo mpanabe mitokona. Tsy tanteraka anefa izany satria nosakanan’ny mpitandro ny filaminana mitondra fiara 4x4 vaovao izy ireo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.