Fifanarahana iraisam-pirenena miisa 4, volavolan-dalana 2, ary tolo-dalàna 1 no nolaniana teo anivon’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly 7 desambra 2017 maraina notarihan’ny filoha lefitra Razafimanantsoa Hanitra, izay notronin’ireo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra.
Anisan’ireny ny fankatoavana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ny famatsiam-bola ny tetikasa fanamboaran-dalana manitsy mampifandray ny seranam-piaramanidina Ivato sy ny Boulevard de l’Europe, vatsian’ny Sinoa vola amin’ny alalan’ny Exim Bank. Teo ihany koa ny volavolan-dalàna mikasika ny fananganana Banky Afrikanina momba ny fanafarana sy fanondranan’entana (AFREXIM BANK), ny volavolan-dalàna momba ny fampandrosoana ny Indostria … Tena manaitra kosa ny nandaniana ny tolo-dalàna laharana n°004-2017/PL momba ny fanokafana kaonty mikasika ny fisotroan-drononon’ny solombavambahoaka, natolotry ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady solombavambahoakan’Antsohihy Jao Jean. Raharahan-tokantranon’izy ireo sy tombontsoa iraisany no tadiavina amin’izy ity, ka dia lojika raha mora ho azy ireo ny nandany azy. Mendrika ny hahazo sy homena izany fisotroan-dronono izany tokoa ve ny depiote eto amintsika ? Ny zavatra hita matetika eny anivon’ity antenimiera ity, dia ny fitadiavana tombontsoa, kanefa ny asa vita tsy mifanaraka amin’izany. Rehefa tonga ny fihaonana amin’ny governemanta amin’ny tokony hanerena azy ireo manoloana ny asa tsy vita sy tsy fahaiza-mitantana sy manatanteraka ny adidy amin’ny vahoaka, dia ny misolelaka sy midokadoka ny fanjakana no ataon’ny sasany, ka zary lasa mpisolovava ny governemanta amin’ny tsy fahombiazany ny depiote fa tsy mpanara-maso. Ny sasany moa dia toa tsy maharaka na inona na inona, ka maro no manao tsidi-pahitra sy manangan-tanana no tena asany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.