Politique

Fisondrotan-karaman’ny mpiasam-panjakana Ifanilihan’i Mahazoarivo sy Ambohitsorohitra


  • Alakamisy 28 Febroary 2013

Mifarana ihany ity volana febroary, fa tsy mbola mihatra ilay fisondrotan-karaman’ny mpiasam-panjakana nambaran’i Andry Rajoelina, teny Iavoloha nandritra ny lanonana fifampiarahabana ifanaovan’ny andrimpanjakana noho ny asaramanitra.

 Toa ifanilihan’i Mahazoarivo sy Ambohitsorohitra ny raharaha. 10% no voatononona teny Iavoloha ny 09 janoary 2013, saingy nampian’i Andry Rajoelina fa dia hankinina amin’ny praiminisitra Beriziky ny fanatanterahana azy. Nilaza ho namory ny teknisianina nandinika ny fanatanterahana indray ny praiminisitra, ary hoe mbola haroso ny filohan’ny tetezamita ny fanapahana farany. Any amin’i Andry Rajoelina indray izany ny teny farany. Ny azo antoka dia tsy nahatratra ny volana febroary ilay fisondrotan-karaman’ny mpiasam-panjakana. Na ny praiminisitra Beriziky aza efa nibaboka fa tsy tratra izany, ary mbola baraingo aza ny amin’ny volana martsa, fa dia hoe “hoezahina”. Hatreto koa dia tsy misy mahalala hoe firy isan-jato ihany no niafaran’ilay fanondrotana.

Tetsy ankilan’izany dia nanao hetsika fanairana teny amin’ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa ary lalàna sosialy ny sendikan’ny mpiasam-panjakana omaly, mitaky ny fanatanterahana ny tapaka nandritra ny fihaonambe teny Ivato tamin’ny septambra 2012 ho fanatsarana amin’ny ankapobeny ny fari-piainan’ny mpiasam-panjakana, voaresaka manokana tamin’izany ny fanitsiana marikarama. Ankehitriny anefa dia arirariran’ny ministeran’ny vola ny fampiharana azy io, ka nitarika izao hetsika izao. Nivoaka ny biraony namonjy ireto mpanao fihetsiketsehana ireto ny minisitry ny asam-panjakana Tabera Randriamanantsoa, izay mahita fa rariny ny fitakiana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT