Samy niandry fatratra ilay fanambaran’ny filoha mba mety hampitsiky na ny mpanatrika ny lanonana teny Iavoloha omaly na ireo nanara-baovao tamin’ny haino aman-jery tany an-trano na tao am-piasana. Inona akory no teo fa tsy nisy filazana na dia fehezanteny iray aza momba ny fampisondrotan-karama.
Kepoka ny ankamaroan’ny mpiasam-panjakana efa nanantena satria mafy ny fiainana ka mba mahavita izay vitany ihany ilay 5 % na 8% fisondrotana kely iny; ampy mba hampilamindamin-tsaina kely aloha.Niakatra ny volana desambra teo ny vidin-tsolika, io iaraha-mahita io ny iray kapoaka amin’ny vary fa niakatra ho 700 ariary indray ary azo antooka fa mbola hisondrotra amin’izao fandalovan’ny rivo-doza izao.Mihatra amin’ity volana janoary ity ny fisondrotan’ny saran’ny jiro ho an’ireo rehetra mmanana fandaniana mihoatra ny 25kwh; tsy fantatra izao mbola ho ataon’ny mpitatitra satria efa nandeha ny siosion-dresaka amin’ny fanondrotana ny sara-dalana.Vao manomboka dia efa mavesatra izany ny taona 2018 ho an’ny mpiasam-panjakana, ary rehefa tsy nanambara fisondrotana moa ny filoham-pirenena dia mazava ho azy fa tsy hisy fisondrotan-karama ihany koa any amin’ny ankamaroan’ireo sehatra tsy miankina.Fantatra anefa fa fisondrotan-karama 8% no voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana 2018 , saingy io tsy nasian’ny filoha resaka io.Nambarany moa omaly fa hoe : misy fotoanany ny zava-drehetra, asa hoe inona no dikan’izany!
Taonan’ny asa, hono…
Etsy ankilan’izay anefa dedaka omaly i Hery Rajaonarimampianina nilaza teny Iavoloha fa nahavita asa izy sy ny fitondrana tarihany.Toa nanilika ny rihatra tany amin’ireo rehetra nitondra teo aloha sy tamin’ny mpanjanan-tany ho anton’ny fahasahiranan’ny firenena izy.Kabary filôzôfika momba ny maha izy azy an’i Madagasikara sy ny Malagasy avy eo no nitranga, ka nilazany fa ilaina ny fanajana ny kolotsaina sy ny fahendrena Malagasy raha te handroso marina ka tokony hahay hifanaja ny rehetra.Hitohy ny fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa goavana amin’ity taona ity, hoy ny filoham-pirenena, eo ohatra ny fanitarana ny seranatsambon’i Toamasina sy Toliara , ny fanamboarana lalam-pirenena maro any avaratra sy atsimon’ny nosy, hisy koa eto Antananarivo.Ho tanterahana ilay tetikasa fametrahana “puce éléctronique” amin’ny omby mba hiadiana amin’ny asan-dahalo, ary ho tohizana ny fanomezana herinaratra sy rano fisotro madio manerana ny nosy.Hisy tetikasa goavana fizarana “plaques solaires” ihany ko mba hirosoana any amin’ny fampiasana angovo azo avaozina.Nitsotra i Hery Rajaonarimampianina fa mbola mila fotoana fanampiny hahafahany manao asa bebe kokoa, mazava ny resaka fa kandida izy ary hampiasa izay rehetra eo am-pelatanany.
Toky R sy J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.