Politique

Fisokafan’ny MBS Tsy mbola ho amin’ity fitondran’ny HVM ity


  • Talata 19 Septambra 2017

Tsotra sady mazava ny valin-tenin’i Hery Rajaonarimampianina raha nanontaniana ny antony tsy amelan’ny fanjakana ny hisokafan’ny haino aman-jery MBS ny tenany.

Tsy manara-dalàna izy matoa tsy misokatra, hoy izy. Nambarany fa ananany tsara ny antontan-taratasy momba ity haino aman-jerin’i Marc Ravalomanana ity ary fantany tsara. Resaka mahagaga ihany satria raha ny tena marina dia eny am-pelatanan’ny filankevi-panjakana ny raharaha MBS ka io rafi-pitsarana io no manapa-kevitra ny amin’ny hoe ara-dalàna sy tsy ara-dalàna. Tsy mbola nilaza ny heviny ny filankevi-panjakana ka nahatalanjona ilay fanambaran’ny filoham-pirenena ny sabotsy teo, izay milaza sahady fa na inona na inona fitrangany dia tsy hahazo rariny amin’ny fanjakana ny MBS. Ny tompon’andraikitra eo anivon’ity haino aman-jery ity moa dia milaza fa ny fitsarana irery ihany no tokony hanapaka amin’ity raharaha ity satria efa eny ny antontan-taratasy rehetra. Maro no resy lahatra fa misy ambadika politika sy tohin’ny antsojay ataon’ny fitondrana amin’i Marc Ravalomanana ny tsy famelana ny Malagasy Broadcasting System mba tsy hananan’i Dada sy ny mpiara-dia aminy orinasan-tserasera izay manova zavatra tokoa eo amin’ny resaka politika. Tsiahivina fa anisan’ireo orinasa nodorana, nopotehana sy norobaina tamin’ny 26 janoary 2009 nandritra ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina sy ny ekipany ny MBS.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT