Ny fitondrana amin’izao fotoana no tokony hangataka amin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny fisokafan’ny orinasa TIKO hoy
Raholdina Faneva, mpandalina ara-politika eto amintsika. Izy indray anefa ankehitriny no mangataka ny fisokafan’ny orinasany. Antony dia hiteraka fivoarana lehibe amin’ny lafiny ara-tsosialy manerana an’i Madagasikara ny fisokafan’ny orinasa TIKO ary afaka hamaha ny olana marobe lalovan’ny firenena amin’izao fotoana izao. Miteraka asa mantsy izany satria aleo mampiditra olona iray miasa toy izay hanala olona iray amin’ny asany. Manampy ny tantsaha mpamokatra ihany koa ny fisokafan’ny TIKO, indrindra fa ho an’ireo mpiompy ombivavy be ronono izay afaka mamelona ny fanantenany indray raha efa niraviravy tanana teo aloha. Hidina ho azy ihany koa ny vidin’entana eny an-tsena satria hiteraka fifaninanana goavana eo amin’ny samy mpandraharaha ny fisokafan’ny TIKO izay tena hampahazo aina tanteraka ny vahoaka Malagasy. Ny fanjakana no mitady hevitra amin’ireo rehetra ireo ( fanomezana asa ho an’ny mponina, fikarakarana ny tantsaha, fampidinana ny vidin’entana) ka izay no mahatonga an-dRavalomanana hangataka ny fisokafan’ny orinasany. Tsy omena tsiny anefa izy fa tia tanindrazana loatra nefa na izany aza dia ny fanjakana no tokony ho tia tanindrazana bebe kokoa satria izy no raiamandreny voalohany, hoy hatrany Raholdina Faneva.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.