Nanaitra ny maro ary resabe tao Antsirabe omaly tontolo ny nisavana tampoka ny tranon’ny zanaky ny filoha Ravalomanana tao Manjakatompo ny alin’ny alatsinainy 06 febroary teo.
Raha ny fahitana ny zava-nisy teny an-toerana dia mety hevitra ambadika tanteraka ary mifono zava-maizina iny fisavana tampoka iny. Ho an’ny mpanara-baovao tao Antsirabe sy ireo tsy mankasitraka izao fitondrana tarihin-dRajoelina izao dia tetika hampitahorana sy hampihorohoroana ity zanaky ny filoha ity ho leo monina eto Madagasikara no tena tao ambadika na koa hevitra hamoronana «dosie» hisamborana azy fotsiny izao. Anisan’ny nanaitra ny olona tonga teny mantsy ny fisiana vehivavy iray niaraka tamin’ireto andiana miaramila tonga teny Manjakatompo ireto izay nijanona teo amin’ireo Fokonolona nanao ny sakana teo amin’ny lalana ka nifandray tsy tapaka tamin’ny antso an-tariby nitantara ny fihetsik’ireo Fokonolona tany amin’ireo iraky ny DST.
Akoatra izay dia nisy ny fahitana kitapom-behivavy fotsifotsy izay tany ivelan’ny tranon’ny zanaky ny filoha Ravalomanana izay noheverin’ny olona fa saika hampidirina tao an-trano nialoha ny fisavana, saingy rehefa betsaka ny olona dia tsy tafiditra intsony ilay izy. Rehefa nosavaina moa dia voalaza fa nahitana zava-mahadomelina tao anatiny. Rehefa nanontanian’ireo mpisava anefa i Tojo Ravalomanana sy Claudia vadiny dia nanamarina fa tsy azy ireo ilay kitapo ary nahagaga ny fisiany tany amin’ny trano fiambenan’ny mpiambina teny am-bavahady. Maro koa no nihevitra fa mety tetika entina handrobana fotsiny izao iny fihetsika iny satria nihevitra indray ireto andiana miaramila ireto fa mety misy lelavola maro tany amin’i Tojo Ravalomanana amin’ny fikasany hampihodina indray ny orinasa Tiko.
Hatreto mantsy dia tsy mazava ny anton’iny fisavana tampoka iny. Raha nisy vola tao, mety nanendrikendrehana azy ho vola natao hamatsiana “gros bras” indray izany. Nisaotra ireo Fokonolona moa ity zanaky ny filoha teo aloha ity satria vao nahafantatra ny tranga izy ireo dia tonga maro ary vonona hiaro tanteraka ity zanaky ny filoha ity. Marihina moa fa tsy nisy ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny Fokonolona na dia nisy aza ny sakana nataon’ireto farany. Na izany aza dia namotika trano, nikasi-tanana mpiambina sivily ary koa nitifitra alika ny DST tamin’ny fotoana nidirany ny tanàna andro alina.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.