Politique

Fisavana ny tranon’i Tojo Ravalomanana Kianin’ny Praiminisitra ny DST


  • Alakamisy 09 Febroary 2012

Nokianin’ny praiminisitra lehiben’ny Governemantan’ny fampiraisam-pirenena, Jean Omer Beriziky, ny fisavan’ny DST (Direction de la surveillance du territoire) ny tokantranon’i Tojo Ravalomanana tany Manjakatompo Andranomanelatra Antsirabe II, ny alin’ny 06 febroary lasa teo.

 Milaza ho gaga tamin’ny fihetsiky ry Kaomisera Nakany Charly sy ireo mpitandro ny filaminana niaraka taminy ny lehiben’ny governemanta satria tsy nisy nampafantarina ny fisian’io hetsika manokana io ireo minisitra tomponandraikitra sy ny kaomandin’ny zandary tany Antsirabe. “Manahirana raha fanapahan-kevitra lehibe toy ireny no tsy ifampiresahana”, hoy i Beriziky. Nanamafy koa ity lehiben’ny governemantan’ny firaisam-pirenena ity fa amin’ny anaran’ny fitoniana dia tsy tokony hisy ireny. Nitondra fanazavana momba ny antony tsy nanatrehany ny fahatsiarovana ny vaninandron’ny 07 febroary koa ny tenany izay nilaza fa noho ny fanajana ny tsy fifandaniana amin’ny maha praiminisitry ny marimaritra iraisana azy dia tsy tonga teny Ambohitsorohitra izy. Miondrika eo anatrehan’ireo namoy ny ainy tamin’iny raharaha iny anefa izy ary maniry koa ny tsy hisian’ny ra latsaka intsony koa eto amin’ny firenena.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT