Politique

Fisavana ny ozinin’ny AAA Tiko Afa-baraka fanintelony ny Jirama


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Nisy indray omaly alarobia ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny Jirama sy ny vadintany mba ho fanamarinana hatrany ny filazana fisiana halatra jiro ao amin’ilay trano fivantanan’i Marc Ravalomanana.

 

 Raha ny fanazavana nentin’ny talen’ny Jirama Vakinankaratra, Atoa Raharimisa Volahasina, dia ny hijery sy hanamarina ny didy avy any amin’ny fampanoavana Antsirabe izy ireo, ka ny fitarihan-jiro no jeren’izy ireo, araka ny baiko azon’izy ireo. Hatramin’ny 9 maraina moa hoy izy ka hatramin’ny ora nialan’ny mpanao gazety tany an-toerana dia tsy hita io lalan-jiro io. Raha ny fanazavana nentin’ny mpisolovava mpiaro ny AAA-Tiko moa dia efa fanintelony no nanaovana fitsirihana momba ity hoe halatra jiro ambaran’ny Jirama ity, hoy izy ary izy ireo mihitsy no nangataka ity fidinana ity ka efa nanomboka tamin’ny alatsinainy izany, hoy i Maitre Norosoa Raharimalala.

Nopitsohana ny varavarana

Nilaza fa maika dia maika ny Jirama ka tsy nahandry ny lakilé avy aty Antananarivo ka nangataka fahazoan-dalana tamin’ny fitsarana mba hamoahana ireo varavarana fidirana hanamarinana ny fiavian’ny herinaratra. Notsofaina tamin’ny alalan’ny tsofam-by izany mba ahafahana nihazo ny efitrano nisy ny fitaovana mandray ny herinaratry ny Jirama sy mandray ny herinaratra avy amin’ilay Gropy goavam-be mamatsy jiro ny trano sy ny ozinina. Raha ny zavanisy tao amin’ilay fitaovana izay mandray ny herinaratry ny Jirama aloha dia voaporofo fa tsy misy intsony ny herinaratra miditra ao an-toerana satria mbola tapaka tanteraka na ny tao anatiny na ny tany ivelany, izay ny Jirama ihany no nanapaka azy. Nisy koa ny tariby mitondra ny herinaratra avy ao amin’ny Gropy mankao amin’ny fanamboarana fromazy sy ny trano itoeran’ny filoha Ravalomanana ary ny toeram-pidiovana no nandany fotoana satria tsy nitokisan’ny jirama ny tsy fahitana ny fivoahany mankao amin’ilay trano mahabe resaka ka raikitra ny fihadiana vodirindrina sy fihanihana tohatra, nitadiavana izany lalan’ny tariby izany. Taorian’izay dia narahina ny lalan’ireo « fil » milevina ambanin’ny tany ka nohadiana izany saingy noho ilay izy asa efa an-taonany maro, hatramin’ny nanorenana ilay trano dia sarotra ny fitadiavana izany ka tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro dia nandray fepetra ny mpisolovava ny Tiko-AAA fa handefa ny Gropy mba ahitan’ny Jirama fa io Gropy io no mamatsy herinaratra ny trano ary niantso ny jirama mba hiaraka hijery izany. Nandà moa ny tale satria tsy izay, hono, no ahatongavany ao fa zavatra hafa ka tsy niatrika izy. Niantso ny mpitandro filaminana sy ny vadintaniny sy ny mpanao gazety kosa ny AAA Tiko ka teo imason’ireo no nanamarinana ny fandefasana ilay gropy sy ny nijerena ny firehetan’ny jiro, ary notanany an-tsoratra izany. Ny jirama kosa tetsy an-daniny dia mbola niantso mpiasa hafa manokana maromaro indray nitondra angady  hiady hatrany ny manodidina hanamarinana ny fisian’ny tariby hafa ambarany ho mitarika herinaratra ao amin’ilay trano. Hatreto moa dia tsy voaporofo ny fisian’ny halatra jiro ao Andranomanelatra ary raha ny tatitra azo dia niala maina tsy nahita na inona na inona ireo mpiasan’ny Jirama tamin'ny 4 ora hariva ka dia nody indray aloha.


Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT