Politique

Fisandratana 2030 Tsy mazava amin’ny Malagasy


  • Alarobia 14 Febroary 2018

Maro ny Malagasy no tsy mahazo akory ny vontoatiny sy ny dikan’ilay vina Fisandratana 2030 nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 25 janoary 2018 lasa teo.

Nandany ora maro ny filoha nanazava io tombana io tamin’ireo nanatri-maso saingy tsy nipaka teny amin’ny sarambabem-bahoaka. Tao ny nanambara fa Antananarivo renivohitr’i Madagasikara aza tsy mba nanana vina nampandroso azy fa dia niaina  tanaty fahantrana sy loto ary fahapotehana amin’ny lafiny maro koa aiza no hanantenana izany resabe izany ? Manaraka izany, ny 80%-n’ny Malagasy dia tantsaha ary miaina anaty tsy fahampiana, 45 % tsy mahay mamaky teny sy manoratra ka aiza no hahatakarany ireny teny maro nalahatry ny filoha ireny ? Ny zavatra nandrasan’ny vahoaka dia ny vahaolana haingana sy mazava mba hampihena ny fahasahiranany lavareny, saingy revo nitanisa ireo teny sarotra raisina sy takarina ny filoha. Ahoana tokoa moa no hahatakaran’ny vahoaka ireny teny teknika be nampiasaina tahaka ny hoe développement durable, ZES, PIB ireny. Tsy vitan’ny sarotra ny teny nampiasaina fa vitsy ihany koa no mba afaka nanaraka iny vina Fisandratana 2030  iny satria 15% ihany  no manana fahafahana mampiasa jiro eto Madagasikara. Ny 11% ihany koa no mandoa hetra ara-dalàna,  5% no mba afaka mindram-bola amin’ireny banky lehibe ireny  ary 90% dia miaina anaty sehatra tsy ara-dalàna avokoa. Araka izany, ny fanarenana ireny tarehimarika mampitotongana ny toekarena  ireny no tokony ho nahamaika ny filoha ary  tokony ho narahana fanazavana sy asa avy hatrany saingy variana  nanao lesona be loatra (théorie) izy ka tsy fantany intsony fa maro no tsy mahatakatra ny tiany ambara. Tsy tafapaka tany amin’ny vahoaka sahirana, araka izany, iny vina iny ary izany no  ilana mpitondra matotra, mahay mampianatra sy mitantana ny vahoaka fa tsy resena lahatra amin’ny kobaka am-bava sy teny sarotra takarina tahaka ireny.


Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT