Mbola mitana ny sain’ny maro ilay «Fisandratana 2030 », ambara fa vinam-pampandrosoana hoentin’ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina hampisandratra an’i Madagasikara.
Nandeha ny resabe avy eo fa tetikasan’ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana teo aloha Orlando Robimanana no nalaina tahaka na nangalarina mihitsy aza. Nanda kosa i James Ramaroson voatonona ho namoaka ny tsiambaratelo fa tsy nivarotra na boky na fandaharan’asa na an'iza na tamin'iza izy sady tsy nobeazina tamin'ny fomba mamohehitra toy izany. Mbola mampiteraka ahiahy ihany koa ny fitoviany amin’ny an’i Andry Rajoelina, izay azo raisina fa tsy izy ireo akory no namolavola azy fa ny vondrona matanjaka ao an-damosiny. Tsy hita izay tanjona mazava fa fandrebirebena sy ronono an-tavy no betsaka. Tsy misy sary mazava hahafahan’ny Malagasy misaintsaina akory ny momba an’i Madagasikara ankehitriny sy amin’ny taona 2030 ? Tany ngazana na “desert” i Dubaï tany amin’ny taona 1990, saingy nazava ny tanjony sy paikady napetrany, ka nahatonga azy ho tany kanto sy mendrika ary tsara indrindra eto ambonin’ny aty aoriana. Zavatra azo tsapain-tanana sy azo porofoina tahaka izany hahafahana mitazona ny mpitondra amin’ny vavany no andrasan’ny Malagasy. Mila mazava hoe eo amina teboka lehibe iray iray isika izao, ary misy teboka iray tsy maintsy tratrarina, fa ity kosa zavatra petatoko sy abobo tsy hahafahan’ny Malagasy manonofy sy misaintsaina akory ny ambara fa fisandratana, ka dia tsy hay na hisandratra ho aiza marina ? Raha hanao fanoharana faran’izay bitika isika, dia aseho an-tsary, ohatra, ny fahoriam-bahoaka eny La Réunion kely amin’izao 2018 izao sy ny sary maneho ny vina, fa ho afaka ao anaty gejan’ny fahantrana sy manana asa ny olona afaka taona maromaro, ary tanàna kanto sy maha te honina no ho hita eo. Mila voafaritra mazava ny tanjona fohy ezaka, antonony ary lavitr’ezaka hoe: inona no zavatra azon’ny Malagasy tsapain-tanana sy miantraika aminin’ny fiainany afaka 3 taona, 5 taona, ary 10 taona ohatra. Ity ambara fa “fisandratana 2030” dia tsapa ho petatoko sy kitaitaitra lava fotsiny. Tsy nanana politika mazava, ka aty amin’ny fiafaran’ny taom-piasana vao miezaka mandrebireby saim-bahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.