Politique

Fisamborana ny Senatera Lylison Matahotra ny Fanjakana


  • Talata 14 Jona 2016

Don-tandroka no betsaka fa tsy sahy misambotra ny Loholona Lylison de Rolland Urbain ny fanjakana

 

. Ny hifitsahan’ity olomboafidy ity any amin’izay toerana misy azy, tsy hanaovany fanehoan-kevitra na fanambarana ranolava mandrapahavita ny fetim-pirenena no zava-dehibe amin’ny mpitondra iventesana isan’andro fa efa nivoaka ny didy fampisamborana ary efa eny am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana izany, ka samborina avy hatrany ity Loholona ity vao hita, na aiza na aiza.

Samy mametra-panontaniana mantsy ny rehetra hoe raha tratra ambodiomby tokoa ity Loholona zanak’i Sofia ity, maninona no tsy ny andro nisavana ny tranony teny Andohanimandroseza, ny ampitson’ny nanaovany antso ny hanaovana tanàna maty, dia nosamborina avy hatrany izy fa maninona no niandrasana tapabolana aty aoriana vao namoahana didy fampisamborana.

Etsy an-kilany, miovaova be ihany ny tenin’ny Fitsarana mikasika ity raharaha ity. Ny mpampanoa lalàna ambony milaza fa nandefa taratasy any amin’ny Birao maharitry ny Antenimierandoholona, mangataka ny hanalana ny zo tsy azo samborina ny Loholona Lylison, ny Mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo indray anefa namoaka avy hatrany didy fampisamborana. Toe-javatra izay tsy mampitovy hevitra ny samy mpahay lalàna.

Ankoatra izay, manana sampana mpitsikilo sy mpitsongo dia maranitra ny vondrona mpitandro ny filaminana Malagasy. Ireny aza teny Ankadivato, jiolahy vao mikononkonona ny hanafika dia efa traingo, ary lavon’ny bala mihitsy aza rehefa niana-kendry saika hamaly tifitra. Koa sarotra ihany no hinoana fa tsy fantatry ny mpitandro ny filaminana ny misy an’ity Loholona ity, fa ny Fanjakana mihitsy no mety matahotra ny fiantraikan’ny fisamborana azy, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao. Manana mari-boninahitra “Commandeur de l’Ordre National Malagasy” rahateo ny Loholona Lylison, ka misy paipaika ny fisamborana olona toy izany.

Ny MAPAR, izay vondrona nahavoafidy ny Loholona Loholona Lylison de Rolland Urbain, moa ny zoma teo, dia nanao fanambarana manohitra fisamborana azy. Omaly koa dia nitaky ny fanafoanana io didy fampisamborana io ny mpisolovava isany Ratoandromana Lucien sy Rakotoson Haja, satria amin’izy ireo dia manjavozavo tanteraka ary tsy mitombina ny paika ady heloka fa fanaovana hazalambo ho an’izay olona sahy mitsikera ny fitantanana maloto amin’ity firenena ity no ataon’ny mpitondra.

Etsy an-daniny, miandry fanazavana mikasika iny raharaha Anjozorobe iny, sy ny fakan’ny teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ary nakarina aty Antananarivo ireo olona notanana am-ponja any Toamasina noho ny raharaha fakana an-keriny ireny, koa ireo mpisolovava ireto, fa ny tsy fanantanterahana izany dia fanitsakitsahana ny zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao, hoy izy ireo.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT