Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny lisitr’ireo mpitandro ny filaminana izay hihazo ny renivohitr’i Afrika Atsimo na dia ofisialy kosa aza fa folo no isan’izy ireo.
Ny loharanom-baovao any amin’ny mpitandro ny filaminana dia «visa touristique» na fahazoan-dalana hanao fizahantany no nangatahin’ireo mpitandro ny filaminana handeha hisambotra ny Filoha Ravalomanana any. Ny teo anivon’ny masoivoho afrikanina tatsimo indray dia nanambara an-kolaka fa tsy mbola nisy dosie nipetraka na iray aza eo anivon’izy ireo. Midika izany fa mbola misamboaravoara be ihany ny momba ity raharaha ity. Maro aza ny mpanara-baovao no mahita fa endrika iray hampihorohoroana ara-tsaina ny Filoha mba tsy hiditra eto Madagasikara indray ity ataon’ny FAT ity.
Manaraka izany, azo heverina fa tsy hanaiky ny hidiran’ireo mpitandro ny filaminana ireo hanao fisamborana any an-taniny mihitsy ny fitsarana afrikanina tatsimo, raha zohina amin’ny fanehoan-kevitry ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany, Marius Fransman momba an’io fa tsy misy polisy vahiny afaka misambotra olona ao amin’ny taniny izany. Fantatra moa fa nalefa any ny fangatahana fiaraha-miasa eo amin’ny fitsarana roa tonta ary mbola handrasana ny valiny hatreto.
Ny sary fahatelo azo eritreretina dia ny mety hahalasa ihany ireo mpitandro ny filaminana ireo avy amin’ny “visa touristique” nangatahany. Dia ho fizahantany tokoa no handehanany any amin’izay fotoana izay satria tsy misy na iza na iza azony hosamborina any rehefa tsy mazava ny taratasy. Tsy ho ampy ny “mandat d’arrêt” izay nosoniavin’ny tonian’ny fampanoavana. Ny “mandat d’arrêt international” izay nankatoavin’ny Interpol sy ny fitsarana Afrikanina Tatsimo ihany no manan-kery saingy tsy azo eritreretina ny momba izany raha ny vanim-potoana politika izay misy no jerena. Ny tiana hambara dia ny fitsipahana sahady ny sori-dalana izay nosoniavina. Handrasana ihany koa ny fandraisana fepetra ataon’ireo mpanelanelan’ny SADC manoloana an’ity fikasana hisambotra sahady ity, indrindra koa any amin’ny tanin’ny iray amin’ireo mpanelanelana. Raha ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpanao politika eto an-toerana aloha dia mahita fa manaotao foana ny FAT naka iny fanapahan-kevitra hisambotra ny filoha Marc Ravalomanana iny.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.