Nivoaka omaly saingy tsy mbola tamin’ny fomba ofisialy ny lisitr’ireo olona izay hosamborina any Afrika Atsimo.
Dimy ny isan’izy ireo ka ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana no lohalisitra. Ireo mpiambina azy izay miaramila avokoa no manaraka an’izany ankoatra ny sivily telo izay tsy fantatra mazava ny tena antony hisamborana an’ireo. Araka ny loharanom-baovao dia tsy ao anatiny i Guy Rivo Randrianarisoa izay nalehan’ny sain’ny maro avy hatrany raha vao nandeha iny raharaha fisamborana iny. Io farany dia mpitondra tenin’ny Filoha Marc Ravalomanana amin’izao fotoana. Efa PDS-n’Antananarivo ihany koa izy tamin’ny andro nitondran’i Dada. Manaraka izay dia tsy ao anatin’ny olona samborina ihany koa ny ankohonana Ravalomanana, izany hoe ny vady aman-janany. Hatreto aloha dia miainga tamin’ny didy navoaky ny fitsarana ady heloka bevava no anton’ny fisamborana ireo olona dimy ireo.
Mahakasika an’ity raharaha ity ihany dia fantatra fa miandry sisa ny hivoahan’ny fifanarahana ara-pitsarana eo amin’ny firenena roa tonta ireo mpitandro ny filaminana hanatontosa iraka. Efa samy nilaza avokoa ny mpahay lalàna rehetra eto an-toerana fa tsy manaraka ny tokony ho izy ity fikasana hisambotra any an-tanin’olona ity. Amin’ny mpahay lalàna mantsy dia midika ho fandrehetana ady amin’i Afrika Atsimo ary amin’ny SADC mihitsy aza ity tetikasan’ny FAT ity. Mbola misamboaravoara, araka izany, ny raharaha. Raha ny fihevitry ny mpanara-baovao indray dia fikan’ny FAT fotsiny izy ity mba entina hanakorontanana ny saim-bahoaka taorian’ireny fanasoniavana ny tondrozotra ireny. Raha milamina loatra mantsy ny tany sy ny fanjakana dia ho very ny tombontsoan’izy ireo satria ho rava tsikelikely ny fitondrana. Ny Filoha Ravalomanana dia efa nilaza tamin’ny antso an-tariby nataony tetsy amin’ny Magro fa tsy mila hotsenaina izany izy fa ho tonga fotsiny eto Madagasikara, toy ny olona rehetra hody an-tanindrazany. Koa iza intsony izany no hosamborina any Afrika Atsimo ?
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.