Politique

Fisamborana an’i Augustin Andriamananoro Fitsipahana ny fihavanana, hoy ny Mapar


  • Zoma 16 Desambra 2016

Nanoloana ny fisamborana ny mpikambana ao amin’ny vondrona politika Mapar, Augustin Andriamananoro, dia namoaka fanambarana mikasika ny tsy fankasitrahan’izy ireo tetsy amin’ny foibeny etsy Ambodivona, ity vondrona ity omaly.

    Nanoloana ny fisamborana ny mpikambana ao amin’ny vondrona politika Mapar, Augustin Andriamananoro, dia namoaka fanambarana mikasika ny tsy fankasitrahan’izy ireo tetsy amin’ny foibeny etsy Ambodivona, ity vondrona ity omaly. Nasongadin’izy ireo tamin’izany ary fa dia fitsipahana ny fampiharana ny fampihavanam-pirenena sy fampidirana ny Malagasy amin’ny fampisaraham-bazana ireo fisamborana mitranga amin’ny mpiara-dia amin’izy ireo amin’izao akatoky ny fety izao. Vao tsy ela, hoy izy ireo, no lany ny lalàna mikasika ny fampihavanam-pirenena kanefa dia izao sahady no fihetsiky ny avy eo anivon’ny fitondrana. Tsy ny minisitra teo aloha Augustin Andriamananoro ihany no efa niharan’ny antsojay fa ao koa ny loholona Lilyson, ny depiote Lanto Rakotomanga, ny depiote Nina ary ny naman’izy ireo, Sareraka. Miantso ny vahoaka izahay, hoy ny fanambarana, mba hijoro ho vavolombelona amin’ny tsy rariny ataon’ny fitondrana. Nampahatsiahy moa ity vondrona ity fa raharaha miisa 4 no niapangana ny minisitra teo aloha Andriamananoro dia ny fitarihana fivoriana tsy nahazoana alalana, ilay resaka basy very sy ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka ary ny doro tanety.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT