Politique

Fisamborana an’I Augustin Andriamananoro Andrasana ny fanehoan-kevitr’I Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 12 Desambra 2016

Mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nisamborana an’I Augustin Andriamananoro, iray amin’ireo olona akaiky ny filohan’ny Tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

Andrasan’ny mpanara-dia an’I Andry Rajoelina sy ny mpanara-baovao ny ho fanehoan-keviny manoloana izao toe-javatra mahazo an’ity olona akaiky azy, sady mpitarika ny vondrona politika MAPAR (Miaraka Amin’ny Prezida Andry Rajoelina) ity izao. Tsy hay aloha hatreto izay mety hambarany na hanameloka ny fihetsiky ny fitondrana na hanao raharaham-pihavanana ka hangataka ny hamotsorana ity farany, na koa hisafidy ny hangina. Ianjadian’ny fanenjehana isan-karazany ireo olon-dRajoelina amin’izao, saingy toa tsy afa-manoatra ny tenany. Any am-ponja I Alain Ramaroson, izay niara-niketrika ny raharaha 2009 taminy. Enjehina ary miery mandrak’ankehitriny ny kolonely Lylison. I Augustin Andriamananaro moa dia iny niaraha-naheno iny ny nisamborana azy ny sabotsy teo. Mety hiafara any amin’I Andry Rajoelina ity tantara ity, raha izao no mitohy.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT