Nahoraka be omaly hariva sy hatramin’ny alina fa ho avy ny fisamborana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha nanontaniana momba izany ny tenany nandritra ny fanadiovana niarahany tamin’ny kaominina teny Soanierana dia nanao sarinteny sy sangisangy hoe :
olona manadio tanàna sy manampy vahoaka ve leretsy no hosamborina a ? Nisy indray avy eo ny fiantsoana ireo olon’ny Tiako i Madagasikara isam-pokontany sy ny mpiara-miasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho avy eny Faravohitra eny amin’ny trano fonenan’ny fianakaviana Ravalomanana anio alakamisy miaraka amin’ireo izay mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo, fa hoe hisy fifampiarahabana noho ny taom-baovao 2018. Fomba efa fanao mahazatra amin’ny taom-baovao tahaka izao. Ambonin’izay dia fotoana iray hiarahabana an’i Dadavalo noho ny nahazoany ilay amboara ho mpitarika politika mendrika indrindra aty Afrika koa ny fotoana anio. Nandeha indray avy eo omaly hariva ny serasera anaty tambajotra facebook sy ny fifampiantsoana an-telefaonina tetsy sy teroa fa hisy zavatra hitranga eny Faravohitra ny alakamisy maraina. Mifamahofaho be ihany ny toe-draharaha, saingy ny resaka miverina foana kosa aloha dia ny hoe misy ny fikasana hisambotra an’i Marc Ravalomanana ka hampiditra am-ponja vonjimaika azy. Fampiharana ny didim-pitsarana efa tamin’ny 2010 ny resaka eto, araka ilay valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny minisitry ny fitsarana ny talata antoandro lasa teo. Misy ny loharanom-baovao iray nahafantarana fa tena manomboka sahiran-tsaina tokoa momba an’i Marc Ravalomanana ny fitondrana HVM ka mikaroka ny fomba rehetra hampanginana azy. Izao fitondrana izao no efa nisambotra sy nanagadra an’ity filoha teo aloha ity tany Antsiranana vantany vao tafaverina teto izy ny 13 oktobra 2014. Re ihany koa fa efa tena sosotra mafy amin’ity filoha teo aloha ity ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka mety hahavita hanapa-kevitra hafahafa ihany momba azy. Maro be rahateo ireo olona manodidina azy no mandrisika ny amin’ny hampanginana an’i Marc Ravalomanana. Tsy ho mora anefa ny hanatanterahana ny fisamborana, raha araka ny resaka re hatrany satria na ny samy mpitandro ny filaminana hanatanteraka ny didy mety hivoaka aza dia mbola misy adihevitra be. Na ahoana na ahoana fitrangany aloha, dia azo antoka fa hampitombo ny savorovoro politika ny fisamborana sy fanagadrana lehiben’antoko politika toa an’i Marc Ravalomanana amin’ny vanim-potoana tahaka izao, ary mandiso tanteraka ny resabe atao fa hoe hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena ny eto. Azo antoka fa hanaratsy endrika ny fitondrana Rajaonarimampianina , na eto an-toerana na any ivelany koa io resaka fisamborana io noho ny fahafantaran’ny maro fa kandida matanjaka amin’ny fifidianana ho avy eo i Marc Ravalomanana ka mety manelingelina ve dia ampanginina ..sanatria ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.