Nanao tsy omby aloha nihazakazaka ireo kandidŕ hiatrika ny fifidianana solombavambahoaka omaly alatsinainy 15 jolay nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana noho ny maha-andro farany voalazan’ny lalŕna fa fanaterana izany omaly.
Anisan’ireo kandidà tazana nihazakazaka tao amin’ny OVEC Boriborintany faha-4 tetsy Isotry omaly ny Pr Rasolo Zovelonoroarizay Marie Zoe Claudine sy ny ekipany natolotry ny Mamafisoa izay somary nanana fahasahiranana kely ihany noho ny tsy fahatomombanan’ny taratasy sasany nentin’izy ireo ka voatery nameno izany ny tontolo andro.
Tap-kevitra ny hirotsaka hofidiana ho depiote aho, hoy izy, satria te hamafisoa ho an’ny vahoaka fa mandringa ny fiainan’ny olona amin’izao fotoana izao. Mila fanamboarana ny lalàna rehetra lany andro sy tsy mety eto amintsika ka hitondra ny hevi-bahoaka izahay amin’izany fa tsy ho mpanangan-tanana fotsiny sanatria. Mpampianatra “profesora” misotro ronono Ramatoa Rasolo. Ho azy, rehefa izay dia izay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.