Tafakatra valo ankehitriny ireo Filoham-pokontany nesorina tamin’ny toerany tao Antsirabe I.
Amin’ny ankapobeny anefa dia noho ny resaka politika no antony ary saika ireo miara-miasa amin’ny movansy Ravalomanana hatrany no lasibatra. Farany izao dia ny lehiben’ny Fokontany Antanamanjaka no nesorina tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Vao avy nitokana Biraom-pokontany nasiam-panatsarana izy ny alahady 30 martsa 2014 teo, izay tolotanana avy amin’ny Lefitra voalohan’ny Delegasiona manokana sy ny solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe I. Nisy ireo lehiben’ny Fokontany vitsivitsy anefa nanao propagandy, nizara akanjona kandidà tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo nefa sady tsy nesorina tamin’ny toerany no tsy voasazy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.